- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arzantina: Lahatsary Fanadihadiana Momba Ireo Vazimba Teratany ao Buenos Aires

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Fifindràmonina, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tantara, Teratany, Zavakanto & Kolontsaina

Mampiseho antsika ny tantaran'ireo taranaka teratany 4 anaty fiarahamonina mipetraka ao an-tanànan'i Buenos Aires ny lahatsary fanadihadiana, ary mampiseho ny fomba nitoloman'izy ireo amin'ny fitakiana ny maha-olom-pirenena azy, sy ny fiverenana indray amin'ny kolontsainy ary ny fanomezana toerana ho azy ireo manokana ao an-tanàna.

http://vimeo.com/32219379 [1]

Miompana momba ireo tanaraka marobe ao aminà vondrona teratany izay samy monina ao Buenos Aires ny horonantsary fanadihadiana Runa Kuti, Urban Natives ( teraka Ambonivohitra). Ao anatin'ny tantaran'izy ireo, mizara ny fomba nisandratany tamin'ny fiaviany manokana izy ireo, fiaviana izay nafenin'ny ray aman-dreniny noho ny fanilihana sy ny fanavakavaham-bolokoditra ka tsy mba nampianatra azy ireo ny fomba fitenin'ny teratany na ny fomba amam-panao, ny hafa kosa nitombo tao anatin'ny tsy fahafantarana ireo razambe niaviany, tantarainy ao koa ny fomba nampiraisan'izy ireo ny fomba nentin-drazana sy ny kolontsaina ho fomba iray hampahery azy ireo sy hanome fahafaham-po azy amin'ny vakokany.

Naseho tamina fetibe marobe manerana ny faritra ny Runa Kuti, Urban Natives [2], lahatsary fanadihadiana novokarina ary notontosain'i Paola Castaño sy Dailos Batista Suárez,  noezahina nampitaina tamin'ny olona marobe araka izay tratra ny hafatra , navoakan'izy ireo tamin'ny fahazoan-dalana Creative Commons License izany. Nohazavain'izy ireo ao amin'ny blogspot  tamin'ny 12 Martsa 2012 [3] ihany koa:

Hoy estamos de celebración, después de meses de guardarlo en la nevera mientras nos presentábamos a festivales hoy por fin podemos anunciar que ya está liberado completo el documental ‘Runa Kuti, indígenas urbanos’ para que cualquiera pueda verlo y compartirlo, para que su historia y su mensaje lleguen a la mayor cantidad de personas posible.

Lo hemos subido a Vimeo en una versión de baja calidad, y le hemos activado la posibilidad de descarga, así que si querés podes verlo online o descargarlo. Nuestra mayor satisfacción es que este trabajo ayude a mostrar la realidad indígena de Buenos Aires al mundo, así que si lo podés compartir por cualquier red social o email a tus contactos nos harás un gran favor.

Taorian'ny volana maro nitehirizana izany anaty vata fampangatsiahana, mankalaza izany izahay ankehitriny amin'ny alalan'ny fampisehoana ny tantara mandritra ireo fetibe, afaka nanambara ihany izahay ny farany fa ny lahatsary fanadihadiana ‘Runa Kuti, urban natives’ dia afaka navoaka soa aman-tsara ka azon'ny olona rehetra jerena sy zaraina, ka mba ho tonga any amin'ny olona marobe araka izay tratra anie ny tantara sy hafatra tiany hampitaina.

Napetrakay tao amin'ny Vimeo ny lahatsary saingy tsy dia tsara ny fivoakany, ary nandramanay indray ny fandraketana sary hafa , ka azonao jerena amin'ny aterineto izany ary afaka raketinao ihany koa raha tianao. Ny zavatra tena mahafapo anay dia hanampy betsaka amin'ny fampahafantarana amin'izao tontolo izao ny  zava-misy iainan'ny teratany ao Buenos Aires  izao asa izao, fitiavana lehibe no asehonao anay raha afaka mizara izany amin'ny alalan'izay tambazotra-tserasera na mailaka ianao.

Efa nasiana dikantsoratra amin'ny teny anglisy ny teny famantarana amin'ny lahatsary fanadihadiana [4] ary manantena izy ireo fa hanampy ny olona ny hisiana dikantsoratra hafa [5]  amin'ny lahatsary fanadihadiana lavabe.

http://vimeo.com/37754616 [6]