Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

22 Marsa 2012

Tantara tamin'ny 22 Marsa 2012

Mali: Ankona Noho Ny Fanonganam-Panjakana Tampoka

Nanambara ny miaramila mpioko fa nalain-dry zareo ny fahefana any Mali, taorian'ny nitsofohany an-keriny tao amin'ny tranoben'ny televizionam-panjakana sy ny lapam-panjakana.

Tontolo Arabo: Mitodika Any Amin'ny Twitter Mitaraina Noho Ny Vovoka

Namely ny faritry ny Helodrano ny tadiom-pasika, ka nanelingelina ny fifamoivoizana an'habakabaka tany Yemen, sy nampikatona ny sekoly tany Arabia Saodita. Nitodika tany amin'ny Twitter ny mpiserasera avy any Yemen, Arabia Saodita, Emirà Arabo Mitambatra ary Katàra raha nitaraina.

Kiobà: Lohataona Mainty, Sivy Taona Taty Aoriana

Manamarika ny fahasivy taona nisiany ny Lohataona Mainty Kiobàna – nampiasaina ny voambolana hanazavazavana ny famoretana nataon'ny fitondrana tamin'ny mpisintaka nandritra ny 2003. Olona 75 no nogadraina taorian'ny hetsi-pamoretana, nampangaina ho miasa ho amin'ny tombotsoan'i Etazonia. Heverina fa efa noafahana avokoa ny gadra politika notazonina nandritra ny Lohataona Mainty, nanomboka tamin'ny 2010,...