Miteraka adihevitra ao amin'ny tranokala tambazotra sosialy hatrany ny fandehan'ny asan'ny solombavambahoaka vaovao Ejipsiana. Toa mampiseho fa dingana mankany amin'ny demokrasia ny fisian'ireo parlemantera vaovao ireo. Na dia izany aza, manohy miadihevitra momba ny olana tsy mifandraika amin'ny filàna maika eo amin'ny firenena ireo parlemanta – toy ny fangatahana handrara ny tranonkala ahitana sary mamoafady.
Nahatonga adihevitra hafa ihany koa ny filazan'ilay depiote iray fa teti-dratsy hitarihana ny Ejipsiana ho amin'ny fomba tandrefana fotsiny ny fianarana teny Anglisy. Ny zava-niseho farany izao dia momba ny fangatahan'ilay depiote iray nilaza fa tokony esorina amin'ny vehivavy ny zony afa-mametraka fangatahana fisaraham-panambadiana.
Taloha, raha nomena ny vehivavy ny zony afa-mametraka fangatahana hisaram-panambadiana, navahana mafy ny vehivavy Ejipsiana. Ny lehilahy no manan-jo hangataka fisarahana amin'ny vadiny ary tsy mila mandeha eny amin'ny fitsarana. Ny vehivavy kosa mila fotoana ela be, sarotra ary mandalo birao foana vao mivaly ny fisaraham-panambadiana nangatahana. Nihatsara kely teny ihany izany toe-javatra izany nanomboka ny taona 2000 rehefa lany ny lalàna manome zo ho an'ny vehivavy hametraka fangatahana fisaraham-panambadiana anaty fotoana tsy diso (Khul’). Tamin'ny alalan'izany lalàna izany, afaka mahazo ny fisaraham-panambadiana tadiaviny ny vehivavy saingy tsy maintsy mahafoy ny zony ara-bola kosa.
Naneho hevitra avy hatrany ny mpisera amin'ny tambazotra sosialy momba ny volavolan-dalàna mikasa hanafoana ny khul’ ao amin'ny parlemanta.
Merit Al-Sayed nilaza hoe:
مشروع الغاء قانون الخلع خطأ فادح. الخلع دفعة الى الامام للمرأة التي من حقها البدأ من جديد في حياتها.
Mira Samy nanampy hoe:
Tsy ny vehivavy ihany no sosotra amin'izao toe-javatra izao fa mizara ny fahatezeran'izy ireo ihany koa ireo lehilahy marobe manohana azy . Wael Khalil niaro hoe:
Sherif Khairy nieritreritra hoe:
Toy ny mahazatra, maro be ireo fanehoan-kevitra ahitana esoeso sy vazivazy. Noon Arabia namorona ny Storify momba ny adihevitra indrindra tamin'ny tweet avy amin'ny @Elma7roossa izay nanoratra tweet marobe amin'ny tenifototra hoe #الخلع_قوة izay midika hoe “Matanjaka ny Khul’.
Fanampin'izany, Riham Mohamed nivazivazy hoe:
Muhab Talaat nilaza toy izao ihany koa:
اكيد الي قدم طلب الغاء الخلع عايز يلعب بديلوا وخايف مراتوا تخلعوا وعجبي
Tsara ny manamarika fa ny depiote izay nametraka ny volavolan-dalàna hanafoana ny Khul’ dia tsy mpikambana ao amin'ireo antoko islamista, fa mpikambana taloha tao amin'ny antoko liberaly Wafd. Ahmed Shokeir namosaka ny heviny mikasika izany:
Fangatahan'ny depiote hanafoana ny Khul’, azo ekena raha ny fivavahana no resahina, toy ny miraharaha ara-barotra amin'ny fivavahana ny fampitoniana ny Islamista. Manamafy izany fa ny fangatahana natao toa miendrika fivavahana dia tsy misy idiran'ny resaka fivavahana mihitsy.
Eny tokoa, tafiditra tao amin'ny adihevitra ny maha-Islamika ny Khul’ na tsia. Mpiserasera marobe no nilaza fa anisan'ny didy avy amina raharaha-pitsarana Islamika ny Khul’. Mohamed ElGohary nanamafy fa Islamika ny Khul’:
Tokony tsy hofoanana ny Khlo3, raha mbola misy ny “Islamo izay loharano nipoiran'ny lalàna” ao amin'ny lalàm-panorenana.
Farany, tsy ny rehetra no manaiky izany toe-javatra izany, ary tsy ny rehetra ihany no mihevitra fa ny fanafoanana ny Khul’ dia zava-dratsy. Mpisera Twitter @_ADHEM ni-tweet hoe: