- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zambia: Nofoanan'ny Governemanta Ny Antoko Nitondra Teo Aloha

Sokajy: Afrika Mainty, Zambia, Mediam-bahoaka, Politika

Ny antoko politika mpanohitra lehibe indrindra ao Zambia, ny Movement for Multi-Party Democracy (MMD) izay nesorin'ny antoko Patriotic Front (PF) tsy ho eo amin'ny fitondrana taorian'ny fifidianana tamin'ny Septambra 2011 rehefa teo amin'ny fitondrana nandritra ny 20 taona, dia nofoanan'ny [1] manampahefana tamin'ny 14 Martsa noho ny filazana fa tsy nahaloa ny vola fandrotsaka voafaritry ny lalàna ho an'ny fe-potoana naha-teo amin'ny governemanta azy izay tafakatra efa ho maherin'ny K300,000,000 na USD57,034.22.

Ny mpitantsoratra ny sosaity, Clement Andeleki [2], olona ambony fantatra loatra avy ao amin'ny PF, izay fony voalohany niseho fitsarana [3] noho ny fiampangàna azy ho anao taratasy hosoka tamin'ny anaran'ny filoha teo aloha efa nodimandry Levy Mwanawasa, dia nandrahona voalohany indrindra ny hanafoana [4] ny antokon'ny mpitondra teo aloha herinandro iray talohan'izay, saingy niova hevitra avy eo. Avy hatrany, taorian'ny nanambaràna ilay fanafoanana, dia nanao fitoriana fanakanana [5] ny avy amin'ny MMD mba hampiatoana ilay fanafoanana ny antokony izay manana mpikambana maherin'ny 50 ao amin'ny parlemanta, efa ho ny ampahatelon'ireo mpikambana 158 ao amin'ity antenimiera mpanao lalàna ity.

Ny mahatsikaiky, ny Filoha Michael Sata dia nitàna ny toeran'ny sekreteram-pirenen'ny MMD, lehibe mpanatanteraky ny antoko, teo anelanelan'ny 1995 sy 2001 rehefa niala tamin'ny antokon'ny mpitondra, mba hanangana ny PF.

MMD logo [6]

Fangon'ny MMD . Sary natolotry ny Lusaka Times.

Ireo mpiondana aterineto avy amin'ny media sosialy isan-karazany dia tsy nankatelina loatra ilay vaovao momba ny fanafoanana ny MMD izay ny filoha mpitarika ilay antoko sady filoha repoblikana teo aloha Rupiah Banda, toa fifanandrifian-javatra angaha, dia nametra-pialàna [7] tamin'ny andro nisehoan'ity raharaha ity.

Ao amin'ny pejy Facebook, an'ny  parlemantam-bahoaka  Zambiana [8], isan'ny fanontaniana iray napetraka ny resaka fifidianana mpisolo toerana izay tsy azo ialàna taorian'ny fanafoanana ny antokon'ny mpanohitra.

Jude Moraes [9] nanoratra hoe :

Atoa Mpandray fitenenana hajaina, amin'izao fotoana nanafoanan'ny mpitantsoratry ny sosaity ny MMD izao, inona no hanjo  ireo mpikamban'ny parlemanta mitondra ny lokon'ny MMD? Hiditra amin'ny fanaovana fifidianana fisoloan-toerana 55 va isika?

Mpikambana iray ao amin'ny parlemanta amin'ny anaran'ny MMD, ao amin'ny  Facebook, i Moses Muteteka [10] no nanoratra hoe [11]:

Tiako ny hanamafy amin'ny Zambiana fa ny fanafoanana  ny MMD dia faminganana tsy tontosa, ary araka ny lalàna dia tsy fanombohan'ny fitoniana mihitsy, ary mandeha tsara ny zavatra rehetra. Hitohy handray anjara amin'ny fomba demaokratika ny MMD.

Anatin'ireo andro 90  (ambony ambany foana ny governemanta isaky ny 90 andro) [12]  ny vondrona Facebook Kelvin Kings Mulembe [13] nivalaketraka nahita ny fahasimban'ny demaokrasia, dia niteny hoe [14]:

 “Andro Ratsy” iray ho an'i Zambia sy Demaokraisa aty Afrika io! na misy na tsia ny ambadika politika, masiso ny hetsika toy io ary tsy mamela rakitra tsara ao anatin'ny tantaram-pirenentsika. Matahotra aho, haingana be no nanarian'i Zambia ny toerana naha-firenena fakàn-tahaka azy tamin'ny resaka fampivoarana ny demaokrasia aty Afrika. Tena mandiso fanantenana. Lehilahy adala iray no fototr'izao rehetra izao. Ary, tsy izay mpitantsoratra tsotra no ndeha homeko tsiny.

Nicholas Mutalama [15], na izany aza, dia manakiana [16] ny  MMD amin'ny toerana saropady misy azy :

Taiza io sosaity io tato anatin'ny 20 taona farany? Rehefa mainty dia tsory hoe mainty… ny MMD dia nampiasa tsindry ara-politika sy ninia tsy nahalala ny sanda fandoa ary dia mivandravandra be fa tsy hanaikitra ny rantsan-tanan'izay mamahana azy ny mpitantsoratra…ekena! Amin'izao fotoana dia nihodina ny latabatra, io biraon'ny fitànana an-tsoratra io ihany no nanao izany mba hanomezana fahafaham-po ny mpifehy azy amin'izao fotoana, afa-tsy ity monja, ny Pf dia nampiasa tsindry tamin'ity raharaha ity mba tsy hisy antoko politika mijoro afa-tsy izy sisa! Tena andro ratsy ho an'i Zambia ity ary dia vao mainka isika mila miandrandra mihoatra noho izay fahagagàna mba hivelomana….!?!

Ao amin'ny  Lusaka Times [17] ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra ireto ambany ireto :

Mphangwe nanoratra hoe :

TARATRY NY FIVERENANA AMIN NY FOMBA OFISIALY MANKANY AMIN NY FANJAKANA ANTOKO TOKANA ITY. Raha ratsy fomba fandray sy fitantanana ity fivoaran-draharaha ity,  ny hetsika politika mety haterany dia mety hitondra mankany amin'ny fandravàna ny parlemanta ka amin'izay tranga izy Sata dia tsy maintsy mikatsaka fotoam-pitondràna vaovao indray mba hahafahany mitazona ny Fitondrana Repoblikanany ao Zambia. Ilaina ireo tena atidoha amin'ny resaka Lalam-panorenana mba hamahàna ity olan'ny famonoan-tena ataon'ny governamanta PF ity. Ny tsahotsahon'ireo mpiasa dia hiteraka hetsi-panoherana mahery vaika. Vokatr'izay, ny foto-kevitra “DONCHI KUBEBA [Aza misy miteniteny, fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana nataon'ny  PF]” dia mety koa hampiharin'ireo antoko hafa mba hanaovana zavatra tsy mazavazava amin'ny antoko PF. ANDRIAMANITRA ANIE HIHAINO NY VAVAKA ATAONTSIKA..

GUNDIX, mpandray anjara hafa no nanoratra hoe :

Fa maninona ianareo vahoaka no mitaraina e? Hatao inona ny lalàna? tsy miraharaha ny lalàna izay tokony ho ry zareo aza no hiaro azy ny  MMD

Fony aho mbola mpiompy madinika tany ambanivohitr'i  Zambia, ireo mpiray fikambanana tamiko dia nikarakara sy nanatitra tatitra isan-taona tany amin'ny birao Fitanana an-tsoratra. Nahoana no sampana goavana be eo imason'ny olona toy izany, mba tsy hilazana hoe ny antoko eo amin'ny fitondrana, no tsy hanome ohatra amin'ny fanajàna ny lalàna eto amin'ny firenena?

Efa tsinjon-dry zalahy ny fiaviany. Ny Zambiana rehetra  no mila manandratra ny fifehezan'ny lalàna, izay ny tena zava-kinendriny dia ny fandrosoan'ny firenena, izay ny fifehezana eo ambanin'ny lalàna no miantoka azy. Raha tsy azo ekena izany ho an'ireo sasantsasany, inona no hampahalaina antsika tsy hiresahana lalàm-panorenana vaovao? Amin'izay rehefa voasoratra ilay izy dia azontsika atao tsinontsinona?

Ndao ry reto a, mba matotra e!

Ao amin'ny Facebook Brian Matambo [18] nanoratra hoe :

MMD blues… dia izay izany, tsy mino aho hoe hanjary ho firenena tsy misy afa-tsy antoko tokana izany. Voalohany indrindra dia tsy adala akory isika satria Zambiana. Faharoa, misy ny NAREP, UNIP, UPND, Heritage, sy ny antokon'i Magande na tsy hay koa izay hiantsoana azy..  sy ireo maro hafa. Ho ahy ny MMD dia azo itarina. Raha tsy afa-mijoro araka ny lalàna ry zareo, dia tsy misy antony mihitsy tokony mbola hisiany.

Ao amin'ny Twitter, ireo Zambiana koa dia naneho fomba fijery maro samihafa:

@ErasmusMweene [19]: Vao avy naetry ho miiba B ny toekarentsika. Manam-bola ve isika hanaovana fifidianana fisoloan-toerana 53? #PF [20] #MMD [21] #Zambia [22]

Amin'ireo ahiahy hoe mitady hametraka fanjakana tsy misy afa-tsy antoko tokana ny governemanta PF , mpandefa bitsika iray no nanoratra hoe

@livilodge [23]: @missbwalya [24] #Zambia [22] Efa ho 30 taona mahery no nonenako teto, saika nandritra izany fotoana izany dia sahala amin'ny tsy nisy afa-tsy antoko tokana #whatdemocracy [25]?……

Io dia taorian'ny nisaonan'ny mpandefa bitsika iray ny fanjavonana mibaribarin'ny demaokrasia teo amin'ny firenena :

@missbwalya [26]: Mandia làla-malàna ny demaokrasiantsika raha mahazo fanamafisana ny fanafoanana ny MMD aorian'ny fampakarana didim-pitsarana #Zambia [22]

Ny MMD no nandresy tamin'ny fifidianana nandraisan'antoko maro anjara tao Zambia tao amin'ny parlemanta sady nahazo ny toerana maha-filoha hatramin'ny 1960. Nifehy toerana maro tao amin'ny parlemanta ilay antoko teo anelanelan'ny 1991 sy 2001