Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Etiopia/Libanona : Hatezerana Noho Ny Fahafatesanà Mpanampy An-trano iray Nivadika Ho Fientanana

Alem Dechasa, izay niteraka hatezerana teny anivon'ireo Etiopiana ny lahatsarin'ny fanimbazimbàna azy, dia  “nisafidy” ny hamono tena tamin'ny  fanantonan-tena tamin'ny alàlan'ny lamba firakony tamin'ny Alarobia lasa teo.

Ny sary mahery setra ao amin'ilay lahatsary miaraka amin'ny fiafaràna mahatsiravin'ilay tantara dia niteraka hatezerana mafy teo amin'ireo Etiopiana mpiondana aterineto. Nampiasa ny Facebook sy ny fanangonan-tsonia tety anaty aterineto ireo Etiopiana mba hisaonana ny fahafatesany sy ho fanentanana hitakiana ny rariny ho an'ireo mpanampy an-trano any Afovoany Atsinanana.

Sary fanaingoana ahitàna mpanampy an-trano iray manasa gorodona. Loharanon-tsary: http://jontambek.wordpress.com/

Zelalem manoratra ao amin'ny pejiny Facebook hoe :

Isika rehetra no mizara ny fijaliany noho ny fitaritarihana azy tamin'ny tany, isika rehetra no hitrerona hamoaka n y hatezerantsika saingy, indrisy tena indrisy fa tsy misy na iray aza aminTSIKA afaka hanavotra ny aiNY. Adinoy ny goernemantantsika, tsy ananantsika izany.

Henatra ho anareo REHETRA!!!

Ho Aminao Anie Ny Fiadanana Ry Alem!

Abiye Telemarketing miteny hoe :

Tsy hitako izay teny holazaina. Mampivarahontsana, mampivarahontsana, mampivarahontsana.

Iray amin'ny mpampiasa Facebook no manamarika hoe :

Tamin'ny herinandro lasa dia nijery ny ETV aho, fanadihadiana momba ireo Etiopiana any amin'ny Emira Arabo Mitambatra nirotsaka an-tsehatra hanolotra $22million ho fananganana tohodrano. Raha ireo ananbavintsika kosa anaovana herisetra sy vonoina isan'andro vaky any Afovoany Atsinanana, ny ETV izay antsika dia faly ery  milaza amintsika fa ireo vehivavy tsy manan-koraisina ireo ihany dia nirotsaka nitondra ny anjara birikiny. Tompo ô, mamindrà fo!!!

Ny fahafatesany nampivarahontsana io dia nanery ireo mpiondana aterineto hanararaotra  ny zava-mitranga hampibaribariana ny fanaovana herisetra amin'ireo Etiopiana mpanampy an-trano maro any amin'ireo firenena ao Afovoany Atsinanana ho eo ambanin'ny mason'ny rehetra.

Ireo Etiopiana mpiondana aterineto velon'ahiahy dia nanangana fanangonan-tsonia iray ety anaty aterineto mba hampiatoana ny  herisetra atao amin'ireo vehivavy Etiopiana any Afovoany Atsinanana sy hitakiana ny rariny  ho an'ireo mpanampy an-trano niharan'ny herisetra toa an'i  Alem sy  Shweyga.

Toy izao ny ao amin'ilay fanangonan-tsonia :

Noho ny tsy fisian'ny asa hivelomana, tsy fahamoian'ny fahalalàna sy hadisoam-pijery momba ny asa any ampitan'ny ranomasina, tovovavy tanora Etiopiana an'aliny no mbona manohy mandeha mankany amin'ireo firenena any Afovoany Atsinanana isan-taona mba hiasa toy ny mpanampy an-trano. Feno fanantenana ery ireny tovovavy ireny fa hoe mba hotsaratsara ny fiainany sy ny fiainam-pianakavian-dry zareo. Kanefa, vantany vao tonga any amin'ireo firenena nitodiany izy ireny,  montsana ny fanantenan'ny ankamaroan'izy ireny noho ireo zava-miandry azy any. Amin'ny ankapoben'ny tranga misy, dia giazana ny pasipaoron-dry zareo, tsy omena ny karamany, voadaroka ry zareo ary voaolana mihitsy aza. Ho famenon'ny nanamafisana, saika izao fifanarahana iraisam-pirenena rehetra izao, momba ny zon'olombelona mifandraika amin'io olana io indrindra, ny governemanta Etiopiana dia nametraka ihany koa politika sy lalàna vitsivitsy momba ny asa mba hiarovana ny zon’ ireny vehivavy ireny. Kanefa, tena zara raha misy sy marefo ny fampiharana ireny lalàna ireny. Noho izany, mandra-pandrain'ny governemanta Etiopiana ny andraikiny eo amin'ny sehatra anatiny sy iraisam-pirenena, mamoaka politika tsara rafitra hiarovana ny zon'olombelona, hatramin'ny famerenana ireny vehivavy ireny hiverina anivon'ny fiarahamonina, hitohy hamono tena hatrany ireny vehivavy Etiopiana mpifindra monina sy namidy ireny, hiatrika fanararaotana, sy hijanona ho gadra any an-tanin'olona.

Pejy fanentanana iray hafa izay mitady fomba hampiatoana ny fanararaotana ireo vehivavy Etiopiana any Afovoany Atsinana no miteny hoe :

Tsy namono tena izany i Alem. Fa nararaotina & novonoina. Niantso vonjy izy saingy tsy tonga mihitsy izany famonjena izany. Ndeha hatsahatsika io fanararaotana io ary ndeha hataontsika izay hamaizana ireo mpamono sy mpanararaotra.

Fiaretan-tory nandrehetana labozia no nokarakaraina hatao teo amin'ny Kianja  Mesqel tao Addis Ababa, Etiopia ny 17 Martsa 2012 mba hisaonana ny fahafatesan'i Alem ary ho fanehoana firaisankina amin'ireo vehivavy Etiopiana mpanampy an-trano rehetra izay niharan'ny fanararaotana any Afovoany Atsinanana. Iray amin'ireo mpikarakara no nanambara tao amin'ny Facebook hoe:

Ry Namana malala isany, noho ny tsy fisian'ny Masoivoho Libane na KAonsily eto Addis, ireo tompon-kevitra amin'ny ‘Fiaretan-tory Andrehetana Labozia Ho An'i Alem Dechasa’ dia nanapa-kevitra ny hikarakara izany ao amin'ny Kianja  Meskel. Iangaviana mba haely ny vaovao ary tongava ao ara-potoana mba hahatsiarovantsika ireo anabavintsika sy hitenenantsika hoe ‘tsy hisy intsony izany’. rahampitso sabotsy 17 Martsa @ 5:05 hariva..

Raha nafotaka ny fanentanana teny anaty aterineto, i Arabia Saodita dia voalafa fa mieritreritra ny hitady teratany Etiopiana 45.000 isam-bolana mba hamenoany ny filàny mpanampy an-trano

Ali Mahfouz – ilay lehilahy hita tao anatin'ny lahatsary nanao tsinontsinona an'i Alem Dechasa. Loharanon-tsary: http://www.lbcgroup.tv/.

Ny 16 Martsa 2012, teo anoloan'ny Masoivohon'i Libanona tao Washington DC no nifamory ireo Etiopiana, tao anaty fahanginana tanteraka mba hisaona an'i Alem Dechasa. Ny Sekretera Voalohan'ny Masoivoho Libane , Mr Toni Frangie dia niresaka tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana.

Lahatsary nalaina tamin'ny finday izay mampiseho an'i Alem Dechasa darohana sy taritarihana amin-kery hiditra anaty fiara iray teo anatrehan'ireo mpitazam-potsiny teo ivelan'ny Kaonsily Etiopiana ao  Beirut, Libanona no niteraka ny hatezerana mafy tety anaty aterineto

Tamin'ny taona lasa ry zareo Etiopiana dia nikarakara  fanentanana iray tety amin'ny media sosialy ho an'ny rariny taorian'ny namoahan'ny mpanao gazety iray avy ao amin'ny CNN, Dan Rivers, ny zava-doza momba ny fanaovana tsinontsinona an'i Shweya Mullah izay naratra mafy noho ny habibiana nahazo azy taorian'ny nanondrahan'ny vinantovavin'ny Gaddafi tamin'ny rano mangotraka rehefa nolazainy fa tsy nahavita nampangiana ny zanany nitomany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.