- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Fitorevahana Nokarakaraina Hisarihana Ny Saina Mikasika Ny Zava-manjo Ireo Niharan'ny Fanolanana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Nanao fitorevahana ry zareo Maraokana omaly (17 Martsa) ho fanoherana ny lahatra [1] nozakain'i Amina Filali, 16 taona, izay namono tena taorian'ny nanerena azy hanambady ilay lehilahy nanolana azy. Neken'ny mpitsara ny fanambadian'i Amina sy ilay mpanolana azy. Niteraka tafiotram-panehoan-kevitra ny famonoany tea, tenyanivon'ny media sosialy sy teny an-kianja.

Niomana ny hanao ny fihetsiketsehany manoloana ny Parlemanta ry zareo Maraokana ny mitataovovonana, mba hisarihana ny saina amin'ny zava-manjo ny vehivavy toa an'i Amina izay terena hanambady ireo nanolana azy, ary dia afaka amin'ny fanenjehana /sazy araka izany koa.

The Facebook page in support of Amina

Ny pejy Facebok ho fanohanana an'i Amina – niharan'ny fanolanana ary namono tena taorian'ny nanerena azy hanambady ilay nanolana azy

Pejy [2] Facebook iray, mitondra ny anarana hoe Tsy ekena ny fanlanana, miaraka amin'ny tsikombakomban'ny fanjakana, no milaza hoe [ar]:

موعدنا جميعا إذن يوم السبت 17 مارس أمام البرلمان على الساعة 12 ضهراً ، لكي تبقى ذكرى أمينة حية فينا، فلا يكون موتها عبثا لعلها تكون أخر ضحية لمثل هذا الفعل الشنيع المخزي.
Ny Sabotsy 17 Martsa ny fihaonantsika, eo anoloan'ny Parlemanta, amin'ny mitataovovonana. Atao izany mba tsy hahafaty ny fahatsiarovana an'i Amina. Tsy avelantsika ho zava-poana ny fahafatesany. Angamba mba ho izy no farany amin'ireo ianjadian'ny zava-maharikoriko sy mahamenatra toy izany.

Ilay pejy dia manome ihany koa ny antsipirihany amin'izay hatao io Sabotsy io araka izao manaraka izao [3]:

1. Toerana ifamotoanana ny manoloana ny Parlemanta amin'ny mitataovovonana. Tsy diabe io ka dia tsy hihetsika eo anoloan'ny Parlemanta isika.

2. Ny fitorevahana dia hetsiky ny olom-pirenena karakarain'ny tsy miankina, ho fantatra amin'ny alalan'ny T-shirt anaovany ry zareo (mbola hivatsy t-shirt koa ry zareo ho an'ireo izay te-hahazo izany).

3. Hisy sary vaventy sy taratasy kely misy ireo fangatahana (ireo fangatahana dia azo jerena ao amin'ny faritra mikasika ity pejy ity) hozaraina  amin'ny mpadray anbjara. Azonareo atao koa ny mitondra ny famantarana anareo raha tianareo izany

4. Handray anjara amin'izany ireo vondrom-piarahamonina sivily manana ny toerany, ONG sy mpanakanto maro.

Tolontsika rehetra io, isika rehetra, lahy sy vavy eto Maraoka, koa tongava!

Mandritra izany, ireo mpiondana aterineto dia manohy maneho hevitra amin'ny tantaran'i Amina. Rafik Ayoub, avy ao Rabat mibilaogy hoe [4] [ar]:

قضية أمينة الآن,أصبحت قضية الشعب المغربي بأسره و شرف جميع المواطنين الذي يحلمون بتكريس الديمقراطية الحقة و العدالة الإجتماعية,من أشبه المستحيل الحديث عن التنزيل السليم للدستور دون إنصاف أمينة و أسرتها و محاولة رد الإعتبار لكرامتها التي عمرت في الحضيض,لن أكثرت بعد الآن بالوعود المتكررة بإصلاح القضاء و ضمان استقلاليته دون مراجعة بعد فصول القانون الجنائي التي أضحت تنصر الظالم أكثر من إنصاف المظلوم,.
Androany ny tantaran'i Amina dia lasa tlon'ny Maraokana rehetra ary voninahitry ny olom-pirenena rehetra izay manonofy ny hipetrahan'ny demaokrasia tna izy ary ny rariny ara-tsosialy. Azo lazaina ho toa tsy azo atao mihitsy ny miresaka famolavolana lalam-panorenana tena mety raha tsy mitady ny rariny ho an'i Amina sy ny fianakaviany, ary mandrana mamerina ny maha-olona azy izay nohosihosena tanaty fasika. Tsy ampy ahy ireo fanomezan-toky miverimberina hoe hanova ny rafi-pitsaràna, sy hiantoka ny fahaleovantenany, nefa tsy misy fanovàna ireo toko sy andininy amin'ireo Lalàna momba ny heloka bevava, izay manjary loharanon'ny tohana ho an'ireo nanao ny tsy rariny manoloana ireo niharan'izany.