Lahatsary: Zarao Ny Fanambinao Ka Mahazoa iPad Amin'ny Fifaninanana Future Challenges

Te-handre ny fanamby atrehin'ny olona avy amin'ny vazantany efatra ny FutureChallenges tohanan'ny The Bertelsmann Foundation. Amin'ny alalan'ny fananganana lahatsary sy ny famoahana azy ao amin'ny takelaka Facebook-ny no mety hahazoanao iPad2 vaovao.

Mifantoka amin'ny fitadiavana fomba samihafa ahafantarana izay entin'ny tsirairay any amin'ny faritra samihafa any amin'ny fironana manerantany ny Future Challenges. Amin'ny alalan'ny lahatsoratra sy Fijery ao An-toerana avy any amin'ny firenena manerana ny vazantany efatr'izao tontolo izao no itsorahan'ny mpanoratra amin'ny fiantraikan'ny lohahevitra tahaka ny fiovaovan'ny toetr'andro, fiovaovan'ny isan'ny mponina, ny loharanonkarena voajanahary sy ny zavamananaina, ny fahasalamana, ny politikam-piarovana sy fiadiana amin'ny fampihorohoroana, fanabeazana, fanatontoloana, fifindra-monina, fomba fitantanam-pitondrana vaovao ary ny teknolojia eo amin'ny tsirairay sy ny fiarahamonina isankarazany.

Hita ao amin'ny fepetra sy ny fitsipika momba ny fifaninanana:

Te-hampanararaotra ireo olona liana hampiseho ny fomba fijeriny amin'ny fanamby ho entin'ny ampitso ny FutureChallenges Ao amin'ny fanentanan'ny ‘FutureChallenger’ hita Facebook.

Ny tanjona amin'ny fifaninanana iraisampirenena dia ny hanomezana fomba fijery avy amin'ny olona samy manana ny kolontsainy sy ny taranja manavanana azy toerana ahafahana mamoaka lahatsary manandanja tiany hanaovana fanairana amin'ny lohahevitra manintona azy lalina.

Ny fotoana farany ametrahana ny lahatsary dia amin'ny faha-22 marsa izay fotoana hanombohana ny fifidianana ny mpandresy amin'ireo lahatsary voafantina.

Joh Correia, mpihira avy ao amin'ny Banda Quero ao Brezila mampandroso eo aloha ny fanambiny ho amin'ny ampitso ao amin'ity lahatsary misy dikanteny an-tsoratra ity:

Adnane Addioui ao Maraoka mieritreritra fa ny fanamby dia ao amin'ny fanairana ny olona hitandrina sy handray ny andraikiny amin'ny lohahevitra isan-karazany:

Rapper Ty Phoon avy any Holandy dia mieritreritra fa fanamby ny fiarovana ny fiainana manokana sy ny dian-tongotsika an-tserasera:

Inona no eritreretiNAO fa fanamby rahampitso? Manangàna lahatsary iray dia alefaso ao amin'ny Takelaka Facebook Future Challenges ary mahazoa iPad2!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.