Tantara tamin'ny 16 Marsa 2012
Soisa : Miarahaba Tsara Anareo Ny “Grikan'I Soisa Romande” !
Lazaina matetika ho fitaratry ny fahaiza-miara-monina i Soisa, satria mahatazona ny fiavaham-pirenena mampivondrona ny olom-pirenena ao aminy sady ataony rehareha izany na dia tsy vitsy aza ny fifanebahana misy eo...
Lahatsary: Zarao Ny Fanambinao Ka Mahazoa iPad Amin'ny Fifaninanana Future Challenges
The Bertelsmann Foundation's FutureChallenges initiative wants to hear about the challenges faced by people all around the world. By making a video and uploading it to their Facebook page, you could win a new iPad2.
Bahrain: Vonjeo Amin'ny Ataon'ny Fitondrana ny Zanaky Ny Bahrainita
“Isika rehetra no mizaka ny heloky ny fitondrana”, izany no hafatry ny mpiserasera Bahrainita izay nampisongadina izany amin'ny alalan'ny tenifototra ampiasaina isan'andro ao amin'ny Twitter. Ny tontolon'ny Twitter ao Barhain no...
Bahrain: Hetsi-panoherana Goavambe Manohitra Ny Fitondrana
“Miala miala Hamad” no antsoantson'ireo vahoaka an'arivony manohitra ny mpanjakan'i Bahrain Hamad, nobahanan'izy ireo ny arabe midadasika ao Bahrain, akaiky ny fihodikodinana Pearl, famantaran'ny revolisiona Bahrain. Ity diabe goavambe ao amin'ny...
Ejipta: Hevitra Mifamahofaho Momba Ny Tolo-dalàna Fandraràna Ny Resa-betaveta
Iray volna minja taorian'ny fivoriana voalohan'ilay parlemanta vao voafidy tao Ejipta dia betsaka ny adihevitra sy fifanoheran-kevitra miraradraraka. Na ny tontolon'ny bilaogy na ny ao amin'ny Twitter Ejiptiana dia samy mibanjina avokoa ilay parlemanta vaovao, mibitsika ny fangatahan-dry zareo, ny ahiahy sy ny esoeso eo ambanin'ny tenifototra #EgyParliament. Ny fivoriana vao haingana nataon'ny parlemanta dia niteraka fifanakalozan-dresaka be mihitsy, saingy tamin'ity indray mitoraka ity dia nikasika ny resa-betaveta!
Maraoka: Namono Tena Ilay Zaza Tsy Ampy Taona Noterena Hanambady Ny Lehilahy Nanolana Azy
Amina, vehivavy 16 taona avy any Larache any Avaratr'i Maraoka, noterena hanambady ilay nanolana azy, dia namono tena tamin'ny fisotroana poizim-boalavo tamin'ny Sabotsy lasa teo. Araka ny voalazan'ny al-Masa'a [Ar], Amina dia naolan'ny lehilahy zokony 10 taona, raha vao 15 taona monja izy. Ary mba hitandrovana ilay antsoina hoe "voninahitry ny fianakaviana", nokarakaraina ny fanambadian'i Amina ilay lehilahy. Nanohina fo maro ny tantaran'i Amina, ary nahatezitra ny Maraokana mpampiasa aterineto, izay nampiasa ny tenifototra Twitter #RIPAmina mba hisaonana an'ilay tovovavy.