- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Mitohy ny Teritery Atao Amin'ireo Mpanao Gazety, ao Anatin'ny Fankalazana Ny Tsingerin-taonan'ny Revolisiona

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Syria 2011 [1].

Miaraka amin'ireo an'arivony maty, nampijaliana, nosamborina sy nanjavona, mitohy ny tolon'ny vahoaka Siriana [1] ao anatinà herisetra tsy mbola nisy toy izany. Ao anatin'ny ezaka ataony hampanginana ireo mafana fo, nohamafisi'ny fitondrana ny fepetra faneritereny ireo mpanao gazety, bilaogera ary ireo maàna fo amin'ny famokarana lahatsary.  Salma Yafi, mpianatra ho mpanao gazety sady mpikambana ao amin'ny Antoko National Development Party, dia iray amin'ireo faramparany nizaka ny nataon'ny fitondràna.

Yafi dia voasambotra taorian'ny naha-mpikambana azy ao amin'ny National Development Party, antoko iray vao niforona sy natsangana araka ny lalàna voarakitra araka ny fepetra vaovaon'ny governemanta “fanavaozana momba ny hamaroan'antoko”. Ny 14  Febroary,  ny governemanta Siriana dia nanambara fa ny Kaomity Misahana ireo Antoko dia hanome alàlana antoko iray vaovao antsoina hoe National Development Party, mampakatra ny isan'ny antoko nahazo fanekena ao Syria ho enina. Araka ny ambaran'ny mpikambana iray [2] ao amin'ity antoko ity, ireo mafàna fo avy ao amin'ilay vondrona dia mifampizara ny hevitra fototry ny fangatahan'ireo mpanao hetsi-panoherana saingy nisafidy ny hampiasa ny fitaovana ara-politika sy araka ny lalàna mba hanatrarana ireny fitakiana ireny.

Navoitran'ireo mafàna fo ny fifanoheran-kevitra misy eo amin'ny fanambaràna fanavaozana sy ny fisamborana vahoaka izay mivoady hanaraka azy ireo. @Gab nibitsika hoe: [3]

@Gab [3]: Tazony ho tompon'andraikitra i #Assad : ny tanora  Salma Yafi dia nisoratra hiaraka amin'ny goverenemanta ho toy ny fanovàna, voasambotra ikala ankehitriny. Azafady, ampiasao  ny  #SalmaYafi ho fanairana.

Ny fanambarana fanavaozana raha sady manohy ihany maneritery ireo mafàna fo dia nanjary lohahevitra hatramin'ny niantombohan'ny fitroarana Siriana, ny marimarina kokoa dia herintaona katroka androany, ary maro dia maro ireo mpanao gazety nanjary lasa lasibatry [4] ny fitondrana. Ilay Tiorka mpanao gazety Adem Ozkose sy Hamit Koskun koa dia nanjavona tany Syria, izay niteraka fanehoan-kevitra goavana be teny anivon'ny aterineto, indrindra indrindra fa teny anivon'ireo Tiorka mpiondana aterineto

Jamal ElShayyal, mpanao gazety, dia nibitsika hoe [5]:

@jamalAljazeera [5]: Nifampizara efitrano tamin'i #AdemOzkose fony nitàna anay i #Israel taorian'ny fanafihana n y sambo mpitondra vonjy fanampiana. Izy no  1 amin'ireo mpanao gazety 2 nanao izay hamoahana ny sary avy ao  #Syria

[6]

Loharano: facebook.com/UniteforSyria

Raha mbola mitohy ny teritery, ireo solotena ara-politika eran-tany kosa dia tsy misy miombon-kevitra amin'izay fomba ho entina hanatsahatra ilay vono olona. Tsy irery ry zareo Siriana, na izany aza. Nahazo ny tohana avy amin'ireo vahoaka manerana izao tontolo izao  ny tolon'ny Siriana, ary koa fanentanana maneran-tany no karakaraina amin'ity anio ity (March 15), Unite for Syria [7], na Mivondrona ho An'i Syria, mba hampiatoana ny taona iray nisian'ny rà latsaka.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Syria 2011 [1].