- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary: Fifaninanana Plural + 2012 Ho An'ny Tanora

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

Mpandresy telo eo amin'ny 9 ka hatramin'ny 25 taona eo no hahazo fitsidihana ny tanànan'i New York mba hampahafantatra ny sanganasany momba ny Fifindra-monina, Fampidirana eo anivon'ny fiarahamonina ary ny Fahasamihafana  mandritra ny Fifaninanana Plural+ 2012  [1] karakarain'ny Firenena Mikambana Misahana ny Sivilizasiona sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Misahana ny Fifindra-monina.

Diversity mural in Washington DC [2]

Fahasamihafana ao Washington DC, sary avy amin'i Daniel Lobo CCBY

Afaka mandray anjara amin'ny alalan'ny fandefasana lahatsary ny tanora, lahatsary tsy mihoatra ny 5 minitra ny halavany ary miompana indrindra mikasika ny olana atrehin'ny tanora ka ahitana momba ny fahasamihafana, ny Fampidirana olona hiara-monina sy ny Fifindra-monina, amin'ny 1 Jolay 2012 no fara-fanaterana ny fandraisana anjara. Ny fitsidihana ny tanànan'i New York  amin'ny volana desambra 2012 no loka ho azon'izay ho mpandresy mandritra ny Fety hanolorana ny Loka. Ity manaraka ity ny lahatsary fanentanana momba ny fifaninanana

Azonao jerena ny mikasika ny mpandresy tamin'ny taon-dasa ao amin'ity hafatra ity [3]. Ity lahatsary manaraka [4] ity kosa dia mampiseho sombin-tsary nandritra ny Fety Fanolorana ny Loka tamin'ny taona 2011 ary manazava ny atao hoe Plural+ ihany koa:

Azona jerena ato amin'ny pejy momba ny fifaninanana [1] ny fepetra sy ny fitsipika rehetra [5] ary ny taratasy fisoratana anarana.