Ho fanamarihana ny faha-herintaonan'ny herisetra nandritra ny revolisiona Syriana, izay nanomboka tamin'ny faha-15 ny volana Martsa, nisy ny fanentanana natao ho an'ny daholobe ho fankalazana izany, ka nitarika ireo mpisera Twitter sy fikambanana ONG (CIHRS [2], FIDH [3], etc.) manerana izao tontolo izao hanao antso avo amin'ny mpitondra manerantany mba hitambatra sy hanafoana ny fandatsahan-drà.
Namporisihana ny olona haka sary afisy ahitana sora-baventy hoe “MIRAY HINA HO AN I SYRIA” na “AJANONY NY FANDATSAHA-DRA NANDRITRA NY IRAY TAONA” amin'ny fitenin'izy ireo manokana ary mametraka izany ao amin'ny pejy Facebook [1] misy ny fanentanana. Natomboka tao Brezila mankany Indonezia hatrany amin'ny tontolo Arabika ny fanentanana ary mikendry hampisy fanehoan-kevitra maro araka izay tratra.
Amin'ny 15 Martsa hoavy izao, lahatsary fahatsiarovana avy amin'ny manerantany ho havoaka, ao amin'ny Twitter amin'ny alalan'ny tenifototra #UniteForSyria.
Ho fanohanana ny antso manerantany, mpitondra firenena 50 manerana izao tontolo izao no namoaka taratasy misokatra [4] tao amin'ny gazety Financial Times manao antso avo