Nanaparitaka vaovao tsy an-kiato mikasika ny #GazaUnderAttack tao amin'ny Twitter ny Palestiniana sy mpitolona Palestiniana hatramin'ny 9 Martsa 2012, noho ny fanafihana miseho ao Gaza izay niteraka fahafatesana Palestiniana 23 sy maratra maherin'ny 100, ka maratra mafy ny sasany amin'izany. Tamin'ny 11 Martsa, mpitolona tsy afaka mivoaka ny trano nampiasa tenifototra vaovao antsoina hoe #TerroristIsrael mba hampahatsiahy ny olona ny fanafihana niseho farany nataon'ny tafika Isiraeliana manoloana ny vahoaka Palestiniana (tsy tao Gaza ihany).
Lasa niely vetivety tao amin'ny Twitter ny tenifototra, ary nanjary lohahevitra malaza manerana izao tonotolo izao, nanjary tantara malaza indrindra ao amin'ny Pejy Twitter Discover ihany koa.
Ireo hita tao amin'ny tweet tamin'ny tenifototra isan-karazany.
Ny sasany mi-tweet ahitana fampahalalam-baovao sy antontanisa:
@MadeInNablus: #Terrori stIsrael nandà ny zon'ny Palestiniana an-tapitrisany hiverina an-tanindrazana. mpitsoa-ponenana 1 hatramin'ny 3 manerantany dia Palestiniana avokoa.
…na koa milaza ireo fanafihana farany:
@MarahMajed: ضرب مدارس قطاع غزة اثناء الحرب بالصواريخ و الفسفور المحرم دولياً والتي كانت تمتلىء بالمدنيين الغزيين
…ny hafa kosa mi-tweet sary mahery vaika:
@AnjumKiani: Mety ho ny rahavavinao, ny rahavaviko! #TerroristIsrael Mangalà sary & ampitahory ny mpianatra ao #Palestine #Gaza
…tsy adino ny milaza ireo tweet mampientam-po sy mampionona tamin'ny fiteny maro samihafa:
@Nortencabronado: El mundo encontrara la paz cuando Palestina sea libre y reconocida como un País. Viva palestina Viva Gaza Viva la PAZ!
Maro ireo mpisera Twitter resy lahatra fa ny mpomba an'i Palestina no tratran'ny sivana foana ary sakanana tsy halaza manerana izao tontolo izao, ka talanjona tamin'ny fahombiazan'izany zavatra izany.
@WafaFt: Gaga fa #TeroristIsrael no malaza ankehitriny, aza mihevitra fa hasehon'ny twitter izany
Na dia izany aza, tsy vao voalohany ny tenifototra Palestiniana no malaza manerana izao tontolo izao. Vao herinandro lasa izay, mpitolona ao amin'ny Twitter namoaka lahatsoratra mikasika ny raharaha nitranga tamin'ilay gadra Palestiniana Khader Adnan. Nisy ny tenifototra noforonina isan'andro mikasika izany raharaha izany -samihafa isan'andro – ary saiky malaza manerantany izay mivoaka isan'andro. Ampiasaina ihany koa izany modely izany ho fanavotana an'i Hana Shalabi, izay eo amin'ny 24 andro nitokonany tsy hihinan-kanina.