- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Palestina: Voatafika Indray i Gaza

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Palestina, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika

Ny alin'ny 9 Martsa hifoha 10 Martsa, Voromby mpiady Isiraelianina no nidaroka baomba [1] manerana an'i Gaza, ka niteraka fahafatesan'olona 12 farafahakeliny izany, ary 20 no naratra.

Ny atoandron'ny 9 Martsa, Zuheir al-Qaysi, sekretera jeneralin'ny Popular Resistance Committees [2] (PRC), no nisy namono nandritra ny fanafihan'i Isiraely ny tanànan'i Gaza, nisy namono ihany koa ny lefitr'i AbuHanani Ahmad. Teratany avy ao Naplouse i Hanani no nafindra tao Gaza, iray tamin'ireo gadra noafahana tamin'ny alalan'ny fifanekena hifanakalo gadra [3], volana vitsy lasa izay.

Ho setrin'izany, vondrona mitam-piadiana Palestiniana ao amin'ny toby Gaza no nitifitra balafomanga an'i Isiraely, tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra. Niverina namely tamin'ny alalan'ny voromby indray i Isiraely ka nahavoa an'i Gaza sady namela maritiora 12 , nofantarin'ny Ma'an News Agency [4] ho Muhammad al-Ghamry, Fayiq Saad, Muatasim Hajjaj, Ubeid Gharabli, Muhammad Hararah, Hazim Qureiqi, Shadi Sayqali, Zuheir al-Qaysi, Mahmoud Hanani, Muhammad Maghari, tiMahmoud Najim ary Ahmad Hajjaj. Ny tati-baovao sasany miteny [5] ankehitriny fa 15 no maty.

[6]

Fandarohana ny tanànan'i Gaza City by Israeli fighter jets. Sary avy amin'ny mpisera Twitter @journeytogaza.

Mpiserasera ao Gaza nitatitra momba ny fanafihana tao amin'ny Twitter:

@MaathMusleh [7] 15 no namoy ny ainy tao Gaza hatramin'izao AZA MANAHY fa Palestiniana avokoa izy ireo!! #GazaUnderdAttack

@ectomorfo [8] Mivavaha ho an'ny mponina ao Gaza. Tsy misy jiro, vitsy ny dokotera, ary tsy misy gazy. Ary amin'izao fotoana izao dia voadarok'i #Israel baomba hatraiza hatraiza ry zareo. #GazaUnderAttack

@Omar_Gaza [9] 18 tsy nahenoana nipoaka! Fahanginana mampiahiahy? tapitra ve? sa mbola tokony hitazona ny fisefoako aho? #GazaMassacre #GazaUnderAttack

@najlashawa [10] tsy haiko ny mbola hanoratako hoe MAFY [fipoaka] ilay izy! #GAzaUnderAttack

@imNadZ [11] Tongasoa eto #Gaza. izay fipoahana no masoandro mihiratrany. ary F16 ny vorony.

Tonga indray izao fandarohana baomba izay amin'izao fivoaran'ny toe-draharaha ao amin'ny faritra sy ny fifandraisana ara-politika izao. Tamin'ny herinandro lasa teo, ho fanazavan-kevitra amin'ny mety isian'ny ady ataon'ny Amerikana sy Isiraeliana, Nanao fanambarana [12] ny mpitarika roa ambony indrindra ao amin'ny Hamas fa tsy hiditra an-tsehatra sy tsy hanohana an'i Iran amin'izay mety ho fanafihana ataon'i Isiraeliana. Nanambara ihany koa ny Hamas fa manohana [13] ny vahoaka Syriana amin'ny ady ataony amin'i Assad.