- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Hatezeran'ireo Mpanao Sariitatra Amin'i Khatami Noho Ny Nandehanany Nifidy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina

Manakory izany hoe ianao no “faran'ny gisitra indrindra” taminà fifidianana iray [1] ho anà latsabato monja? Angamba mety ho i Mohammad Khatami [2], ilay filoha teo aloha, mpandàla fiovana, no afaka hamaly an'io.

Khatami dia nandatsa-bato [3] tamin'ny fifidianana ny ho parlemantera tamin'ny Zoma 2 Martsa 2012 ninia tsy nahalala ireo fameperana izay izy tenany ihany no nametraka azy mikasika izay ho fandraisany anjara: “Fanafahana ireo gadra [politika] sy fametrahana tontolo malalaka ho an'ny tsirairay sy ny vondrona rehetra, fanajàn'ny manampahefana ny Lalam-panorenana ary fanajàna ny fotodrafitr'asa napetraka hanatanterahana fifidianana madio sy malalaka”

Raha jerena ireo antso malaza ho fibodoana ny fifidianana [1], maro ireo mpandàla fiovàna no diso fanantenana nahita an'i Khatami niverina tamin'ny teny nomeny.

Taty aoriana kely izy dia nanazava ny fihetsiny tamin'ny fanehoana fanantenana fa tsy hampisara-bazana ny “firaisankinan'ireo mpandàla fanovàna” ny fandatsaham-bato nataony. Voalaza fa hoe notsindriany mafy [4] ny “fahasarotan'ny” raharaha anatiny ka hatramin'ny iraisam-pirenena ka dia nangatahany ny mba “hahatakaran'ny tsirairay ireny fahasarotana ireny”

Sariitatra maneso marobe no nakarina ao amin'ny aterineto mampiseho ny hatezerana sy ny hadisoam-panantenana noho ny nataon'ilay olo-malaza Khatami.

Nikahang, mpanao sariitatra sangany sady bilaogera, dia mihevitra [5] fa Khatami dia nanao tsinontsinona ny rà latsaka nandritra ny hetsi-panoherana tamin'ny 2009 hanoherana ny fitondràna.

[5]

Mana Neyestani, mpanao sariitatra iray mbola sangany koa, dia mampiseho [6] kisary iray mamaky fitaratra eo an-tampon-dohan'i Khatami.


Mpanao sariitatra iray, tsy voalaza anarana, nivahiny tao amin'ny  Khodnevis.org [7] no nandray anjara tamin'ny fanentanana iray “sariitatra hamelezana an'i Khatami” tamin'ity fampidirana ity :