- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Korea: Mitaky ny Zo Hahazo Manao Pataloha Ireo Mpanamory Ara-barotra

Sokajy: Azia Atsinanana, Korea Atsimo, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Sendikà, Vehivavy sy Miralenta

Martsa Tamin'ny Andro Manerantany ho an'ny Vehivavy tamin'ity taona ity, 8 Martsa 2012, nisy fihetsiketsehana iray tsy toy ny mahazatra natao tao afovoan-tananan'i  Seoul, Korea Atsimo. Ireo mpanamory ara-barotry ny Asiana Airlines [1], iray isan'ny goavana indrindra amin'ny zotram-piaramanidina ao amin'ny firenena, dia nanao tafatafa ho an'ny mpanao gazety teo anoloan'ny tranoben'ny Kumho Asiana niampanga ny kaompania ho manana fepetra manavakavaka ny lahy sy ny vavy manoloana ny fisehoana ivelan'ireo vehivavy mpanamory ara-barotra.

Park Bong (@jayparkbong [2]), mpikambana aminà fikambanana mpiaro ny vehivavy, dia nibotsika hoe [3] [ko] :

실핀 개수, 눈화장 색, 스타킹 색까지 규정하고 있는 아시아나 외모복장규정. 안경 불가 규정 때문에 건조한 비행기안에서 렌즈를 껴야 하고, 커트 머리도 몇 년 전 파업으로 간신히 따낸것이라 한다. 여성노동력을 어떤 시선으로 보고 통제하고 활용하고자 하는지 너무 티난다.

Ny fepetran'ny Asiana momba ny fisehoana ivelany sy ny fanamiana dia mifehy hatramin'ny isan'ny fifisika fanao amin'ny volo azon'izy ireo ampiasaina aza, sy izay karazana ankosotra atao amin'ny maso ary na ny  lokon'ny ban-kirarony aza. Hatramin'ny solomaso aza dia tsy azo anaovana any anaty fiaramanidina, ilay fitaratra kely atsofoka anaty maso no tsy maintsy ampiasain-dry zareo ao anatin'io tontolo maina be io. Ny zo hanan volo fohy dia ady nataon-dry zareo ary azon-dry zareo taorian'ny  fitokonana taona vitsy lasa izay. Izany dia manondro tsara amin'ny fomba mazava ny fomba fijerin'ny kaompania ny asan'ireny  vehivavy mpanamory ara-barotra ireny sy ny faniriany hifehy sy hampiasa izany.
Asiana Flight Attendants [4]

Dikasarin'ny fàfana ahitàna ire mpanamory ara-barotry ny zotram-piaramanidina Asiana, Niainga avy aminà lahatsarin-kira tao amin'ny YouTube avy amin'i Rogapol,mpampiasa Youtube.

Taty aoriana izy dia nibitsika [5] [ko] mikasika ilay hetsi-panoherana :

금호아시아나 빌딩 앞에서 여성승무원에게 바지를 허하라는 기자회견을 하고 사무실 들어가는 길. 104주년 여성의날인데 정말 이런 내용의 시위를 하고 있어야 한다는게 이 나라 여성의 현실. 짜증난다.

Miverina aty amin'ny biraoko aho izao rehefa avy nanatrika tafatafa ho an'ny mpanao gazety teo anoloan'ny tranoben'ny Kumho Asiana nangatahana ilay zotram-piaramanidina mba hamela ireo vehivavy mpiasa any anaty fiaramanidina ho afaka manao pataloha. Androany no faha-104 taonan'ny Andro Manerantany ho an'ny Vehivavy ary manao izany aho ankehitriny mba ho karazana hetsi-panoherana. Ity toe-draharaha ity sy ny toerana misy ny vehivavy ato amin'ity firenena ity dia tena manahiran-tsaina mihitsy.

Araka ny lahatsoratra an-gazety iray an'i Hankyoreh [6] izay niparitaka be tato anatin'ny andro vitsy lasa, Asiana Airlines no manana fepetra faran'izay saotra indrindra momba ireo vehivavy mpanamory ara-barotra : ny fanamiana ho an'ilay zotram-piaramanidina dia tsy misy afa-tsy amin'ny endriny misy zipo—tsy misy fanova amin'ny endrika misy pataloha. Tsy maintsy tonga hatreny an-dohalika ny zipo. Tsy mahazo mitondra solomaso ny vehivavy mpanamory ara-barotra. Tsy maintsy mipetraka amin'ny toerany ny volo ary voatazona fisisika any aorian'ny sofina. Ireo vehivavy izay mitondra ny volony ireo dia tsy maintsy mamela ny ampahgatelon'ny handriny hiseho. Fisisika roa  raha be indrindra no azo atao amin'ny volo. Misy ihany koa ny faneriterena napetraka momba ny haben'ny kavina sy ny rado iambozonana. Ny ankosotra tao amin'ny maso sy nytava dia tsy maintsy mainty na volontany.

Asiana dia namaly fa hoe ny antony nahatonga ny fanamian-dry zareo tsy hisy pataloha ho an'ny vehivavy dia satria “tsy mifanaraka amin'ny sary maneho ny kaompania” ity farany.

Ho fanelezana ny fitarainan [6]‘ireo mpanamory ara-barotra, ny ankamaoran'ireo Koreana Tatsimo mpampiasa aterineto dia naneho hatezerana amin'ny politika manavakavak'ilay kaompania. Ilay mpampiasa Twitter, @vanilladoll8 [7] dia nibitsika [8] [ko]:

여성 근로자의 “외모” 따위로만 설명할 수 있는 회사 이미지란.. 참.. 하찮다.. 예쁜 승무원이 아닌 안전한 비행, 편안한 서비스.. 이런게 이미지가 되어야 옳지 이 양반들아[…]

Dia tsara mankaiza moa ny endriky ny kaompania raha toa izany ka afaka hazavaina/faritana amin'ny endrika ivelan'ireo vehivavy mpiasa fotsiny. Ny fitonian'ny sidina sy ny fanomezana tolotra mampahazo aina no tsy maintsy saininy, vao ny endrika mevan'ireo mpanamory ara-barotra.

@Astralpink [9] dia mampitandrina [10] [ko] fa ny fifantohana be loatra amin'ny endrika ivelan'ireo vehivavy miasa eny anaty fiaramanidina dia mety hahasorena ny olona ka hahatonga fanaovana ankivy ilay zotram-piaramanidina.

여성 승무원들에 대한 불필요하고 성차별적인 용모, 복장 규정에다가 바지 유니폼을 허용하지 않고 근무 시, 비상 시 불편한 치마 유니폼만 고집하는 아시아나 항공 @Flyasiana [11].승객 안전보다 승무원 용모를 중시하는 항공사라면 불매하게 될지도.

Tsy ilaina sady manavakavaka ilay politikan'ny kaompania momba ny endrika ivelan'ireo vehivavy miasa eny anaty fiaramanidina sy ny fanamiana. Misisika mafy ilay kaompania amin'ny hoe ny zipo ihany no anaovan'izy ireo na dia fantatra fa tsy dia mampahazo aina loatra aza izany ao anatin'ny tontolo iasàn'izy ireo sy (tena ratsy rehefa tonga amin'izay) rehefa anaty toe-javatra sarotra/hamehana. Raha mba mijery marina misimisy kokoa ny endrika ivelan'ireo mpanamory ara-barotra ilay kaompania fa tsy ny haha-metimety fotsiny ny mpandeha – hanao ankivy azy ny olona.

Lee Jung-hoon(@sm749 [12]) nibitsika hoe [13] [ko]:

m.hani.co.kr/arti/society/l… [14]아시아나항공 승무원은 바지입으면 안된다네요. 시대착오적이고 인격체로 보지 않고 기업의 이익을 극대화 하기 위한 상품 (으로 보는) 복장 용모규정 70년 박정희 시대인가

Ny palatoha (ho fanamiana) dia tsy ekena ho an'ireo mpanamory ara-barotry ny Asiana. Ity fepetra ity dia efa nilaozan'ny toetr'andro sy mihevitra ny vehivavy ho toy ny vongan-javatra azon'izy ireo trandrahana mba hampitombo ny tombontsoan'ilay kaompania, fa tsy mihevitra azy ireo ho toy ny olombelona. Tahaka an'ireny efa tany amin'ny taona 1970 ireny ity politikan'ny kaompania ity, fony teo ambany fitondran'i Park Jung-hee  (Filoha teo aloha tao Korea Atsimo).

Ny Network for Glocal Activism [15] [ko] ao Korea Atsimo dia fanangonan-tsonia [16] [ko] iray mivaky hoe :

이와 같은 규정들은 항공사가 […] 여성 승무 노동자들을 ‘관리'의 대상으로 보고 있음을 보여주는 것이다.[…] 기업들의 이러한 행태는 여성 노동자들이 수행하는 업무의 전문성을 보이지 않는 영역으로 밀어내 버리고…

Ity fepetra ity dia mampiseho fa ny fomba fijerin'ilay kaompania ireo vehivavy dia toy ny vongan-javatra mila tantanina/araha-maso. […] ny vondron'orinasa manana fomba fijery ny vehivavy toy izany dia manetry ny maha-matihanna ireo vehivavy miasa.

Ilay fanangonan-tsonia dia nanampy fa ilay fepetra momba ny vehivavy mpanamory ara-barotra dia misy pejy dimy lavabe, ireo lehilahy miasa eny anaty fiaramanidina kosa dia entanina hanana “fitafy madio sy maoty”.