Korea Atsimo: Miala Amin'ny Asany Ireo Mpanao Gazety Maro Avy Amin'ny Fahitalavi-panjakàna Iray

Ireo mpanao gazetin'ny iray amin'ireo tambajotram-pahitalavitra ara-barotra lehibe indrindra any Korea Atsimo, ny Munhwa Broadcasting Corporation (MBC) dia mitokona mandritra ny fotoana tsy voafaritra efa nanomboka tamin'ny volana Janoary 2012, mitaky ny fahamarinana amin'ny fanaovan-gazety. Manodidina ny mpiasa 400 anaty sendika [ko] no nanomboka ity fitokonana ity, ary mihamafy izany fifamaliana izany satria miha-betsaka ireo mpanao gazety, mpanolotra fandaharana sy mpamokatra no milaza fa tsy nanao na zara raha nanao tatitra momba ireo olana politika saropady ny MBC. Tamin'ny 4 Martsa 2012, mpanao gazety 166 no nanambara fa hiala amin'ny asany [ko] ho mariky ny fanoherana.

Anisan'ireo honohono ireo ny hoe zara raha manao tatitra i MBC momba ireo fitokonana manohitra ny fifanarahana fifanakolazana malalaka natao tamin'ny Etazonia, ary nanao tsinontsinona ny fividianan-tany mampiahiahy nataon'ny filoha Lee Myung-bak ho an'ny trano fialàny sasatra. Ankoatr'izay, ny filohan'ny MBC, Kim Jae-chul dia voahendrikendrika ho manivana sy mandefa ny heviny manokana amin'ny Vaovaon'ny MBC sy ny Fandaharana Fanadihadian'ny MBC, ny PD Notebook, ka manahatonga ireo fandaharana ho tsy mahavita ny asany amin'ny maha-fanaovan-gazety.

Naneho ny fanohanany ilay fitokonana ireo Koreana Tatsimo, na dia midika aza izany fa hiato ny sasany amin'ireo fandaharana tiany indrindra.

Ady manahirana

Notantarain'ilay mpanao gazety avy amin'ny fahitalavitra MBC, Jung Woo-young (@mbcjwy)  tamin'ny bitsika[ko] ny zava-niainany tamin'ny fitokonana:

파업 36일..아내가 좋아하는 음악학원을 끊자고 아이를 설득합니다. 사장은 세명의 해고자를 만들었고 용역 수십명을 사내에 배치했습니다. 정치권은 공천 밥그릇 챙기기에 바쁘고 눈치보는 언론들은 애써 외면합니다. 그래서 MBC 파업 꼭 이기고 싶습니다.

Andro faha-36 amin'ny fitokonana izao. Nandresy lahatra ny zanako tsy hanatrika fianarana mozika ny vadiko. Efa nandroaka olona telo ny filohan'ny orinasa ary nanaparitaka jiolahimboto am-polony karamain'ny orinasa ao anatin'ny tranoben'ny MBC. Sahirana mitady seza ireo mpanao politika, ny haino aman-jery kosa dia miezaka mafy ny tsy hijery izany olana izany. Izany no antony haniriako mafy ny handresen'ity fitokonana ity.

Lee Oi-soo (@oisoo), mpanoratra be mpividy indrindra any Korea Atsimo sady iray amin'ireo 5 mpibitsika matanjaka indrindra any amin'ny firenena, dia nandefa bitsika [ko]:

보아라, 양심 있는 자들이 울면서 직장을 떠나고 있다. 한사코 붙박여 비굴한 눈칫밥으로 연명하는 사람들아. 인생길 가다 보면 오르막도 있고 내리막도 있는 법. 기다려라. 당신들이 울면서 떠나갈 날도 얼마 남지 않았으니[…]

Jereo anie e. Miala amin'ny asany amin'ny tomany ireo olona mahatsiaro tena. Ianao – olona mifikitra an-kanjambàna sy an-karesena amin'ny asa fivelomany – tadidio fa hisy foana ny tsara sy ny ratsy amin'ny fiainana – andraso fa mbola ho avy  ny fotoana hiavian'ny anjaranao hiala anaty tomany.

Ny kaonty twitter an'ny sendikan'ny mpiasa ao amin'ny MBC @saveourmbc dia nanome rohy mankany amin'ny lahatsary YouTube [ko] mampiseho andiana sarin'ireo mpanao gazety mitaky ny fahamarinana amin'ny fanaovan-gazety, ary hita ao ny anaran'ireo voaroaka:

Namoaka sarin'ireo “jiolahim-boto karamain'ny orinasa” mivory ao amin'ny tranoben'ny MBC ihany koa ry zareo:

사측에서는 청경 충원이라는 입장.. RT @saveourmbc: 김재철이 부른 용역 사진 한장 더.. 공개 스튜디오에 모여서 뭔가 교육받고 있나 봅니다.. 잘만하면 백명 될듯.. twitpic.com/8s4x1v

Taoriana kelin'izay dia nanambara ny orinasa fa tamin'izy nampiditra mpiandry trano maro io sary io. RT @saveourmbc: Sary iray hafa mampiseho jiolahimboto nokaramain'ny orinasa, nampidirin'i Kim Jae-chul. Toa omena toromarika na sahala amin'izany ry zareo ao amin'ilay “studio” misokatra. Mety ho zato eo ho eo ry zareo ao.
company-hired gang on strike

Sary mampiseho ireo jiolahimboto/mpiandry trano fanampiny nokaramain'ny orinasa, ao anatin'ny tranoben'ny MBC, sary Twitter avy amin'i @saveourmbc

Namoaka sary avy amin'ny fivoriana iray i Han Hak-soo (@mbcpdhan), mpamokatra fandaharana ao amin'ny MBC,  izay nanoratra tamin'ny Twitter hoe, “Mitokona izahay […] Rava i MBC. Mialà Kim Jae-chul”.

MBC strike

Sarin'ny fitokonan'ny MBC, sary Twitter avy amin'i @mbcpdhan

Mpandrindra sarimihetsika manodidina ny 40 no namoaka fanambaràna [ko] manohana io fitokonana io. Nirehidrehitra tamin'ny hevitra maro samihafa ny tontolon'ny Twitter Koreana, ny ankabeazan'izany dia hafatra maneho firaisan-kina sy fanohanana avokoa.

Song Yo-hoon (@syh24) dia nibitsika hoe [ko]:

공정방송 회복을 위한 MBC 파업, 앵커들도 가세. 김재철 사장에게 묻습니다. 공영방송 MBC가 당신의 개인기업입니까? 권력의 소유물입니까? 사장에서 물러나라는 구성원 절대다수의 요구가 당신의 개인재산을 내놓으라는 것입니까? 대답할 수 있습니까?

MBC dia nitokona mba hamerenana ny fahamarinana amin'ny fandaharana, ary nandray anjara tamin'izany fihetsiketsehana izany koa hatramin'ireo mpanolotra fandaharana. Manontany ity amin'ny filohan'ny MBC, Kim Jae-chul aho: Orinasanao manokana ve ny fahitalavi-bahoaka MBC? Fananan'ny olona matanjaka ve izy io? Marobe ireo olona no mangataka anao hiala – raisinao ho tahaka ny mangataka anao hamela ny fanananao ve izany? Ahoana no hamalianao ireo fanontaniako ireo?

@imdramafan dia nbitsika hoe [ko]:

해품달이 파업 때문에 후반작업에 어려움을 겪고 있다고 한다. 무도는 이번주에도 결방이라고 한다. 마음대로 마이크잡고 펜잡고 카메라 잡기 힘든 세상이 되어버렸다. 굴하지마세요! 화이팅 #무도

Sendra olana i HaePonDal [fanamarihana: anarana tantara mitohy Koreana malaza] tamin'ny faran'ny fotoana famokarana azy noho ilay fitokonana. Miato koa Mudo [fanamarihana: anaran'ny tantaram-pitiavana ankafiziana tokoa, Olana tsy manam-petra] amin'ity herinandro ity. Lasa toerana tsy ahafahan'ny tsirairay mampiasa malalaka ny fanamafisam-peony, peniny ary kamerany manokana izao tontolo izao. Aza kivy e! Mahereza, #Mudo.

Rehefa nanontaniana izy tamin'ny fanadihadiana iray raha mieritreritra ny hiala ho mariky ny fandraisana andraikiny amin'izao tranga izao,  dia namaly Kim Jae-chul [ko] fa tsy hiala izy raha tsy efa “mandry anaty vatapaty.”

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.