- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoelà: “Manapika Fakantsary Fa Tsy Manapoaka Basy”

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Mediam-bahoaka, Saripika

Alberto Rojas nilaza fa “mpankafy maka sary an-tanandehibe” izy, fa lavitry ny tsy maha-matihanina [mpankafy tsotra] azy ny sary avoakany ao amin'ny bolongana Caracas Shots [1]. Toy izao no amariparitany ny bolongany:

[…] a bad copy, or rather an inspiration of the blog Mumbai Paused [2] by MS Gopal [3] (thanks bhai), but without reach its professional level. Anyways I'll try to do the same: Capture the beauty of the simple things using either a shoot camera or my cell phone in a city full of gun shots.

Dika ratsy, na nakan'ny bilaogy Mumbai Paused [2] nataon'i MS Gopal [3] (mankasitraka bhai) aingam-panahy, saingy tsy mahatratra ny dingana maha-matihanina azy. Na izany aza hiezaka aho ny hanao ny mitovy aminy: manapika ny hatsaran'ny zavatra tsotra amin'ny fampiasana fakantsary na ny findaiko ao anaty tanana feno poa-basy.

Amin'ny fampiasana ny tarigetra hoe “Manapika Fakantsary Fa Tsy Manapoaka Basy”, ny tanjon'i Alberto dia ny hampiseho ny lafiny maha-te-ho-tia an'i Caracas, renivohitr'i Venezoelà. Ao amin'ny hafatra “Flying Bags” [4][Harona Manidina] no ampisehoany ankizy any an-trano barikan'i Caracas mampiasa harona fa tsy papangohazo:

Flying bags [4]

[4]

[4]

Vao nanapika ny sarin'ny Tsenan'ny fanaka vita bakoly Shinoa [5] ihany koa i Alberto:

[5]

Banner reads: "Every day, everything on sale" [5]

Afisy milaza hoe: "Isanandro, amidy daholo ny zava-drehetra"

Indreto indray ny sasantsasany tamin'ny kanto an-drindrina [6] nopihany tao Caracas:

[6]

[6]

Fialofam-biby [7] iray:

[7]

[7]

Ary mbola misy hafa [8].

Raha tianao ny hijery sary mahatalanjon'i Caracas hafa dia mamandriha amin'ny fahan'ny Caracas Shots’ [9] ary araho ao amin'ny Twitter i Alberto (@chamorojas [10]) sy Pinterest [11].

Nahazoana alalana avy amin'i Alberto Rojas avokoa ny sary rehetra.