Alberto Rojas nilaza fa “mpankafy maka sary an-tanandehibe” izy, fa lavitry ny tsy maha-matihanina [mpankafy tsotra] azy ny sary avoakany ao amin'ny bolongana Caracas Shots. Toy izao no amariparitany ny bolongany:
[…] a bad copy, or rather an inspiration of the blog Mumbai Paused by MS Gopal (thanks bhai), but without reach its professional level. Anyways I'll try to do the same: Capture the beauty of the simple things using either a shoot camera or my cell phone in a city full of gun shots.
Amin'ny fampiasana ny tarigetra hoe “Manapika Fakantsary Fa Tsy Manapoaka Basy”, ny tanjon'i Alberto dia ny hampiseho ny lafiny maha-te-ho-tia an'i Caracas, renivohitr'i Venezoelà. Ao amin'ny hafatra “Flying Bags”[Harona Manidina] no ampisehoany ankizy any an-trano barikan'i Caracas mampiasa harona fa tsy papangohazo:
Vao nanapika ny sarin'ny Tsenan'ny fanaka vita bakoly Shinoa ihany koa i Alberto:
Indreto indray ny sasantsasany tamin'ny kanto an-drindrina nopihany tao Caracas:
Fialofam-biby iray:
Ary mbola misy hafa.
Raha tianao ny hijery sary mahatalanjon'i Caracas hafa dia mamandriha amin'ny fahan'ny Caracas Shots’ ary araho ao amin'ny Twitter i Alberto (@chamorojas) sy Pinterest.