Ampahany amin'ny vaovao manokana mikasika ny Krizin'i Eoropa [1] ity lahatsoratra ity.
Andro vitsy monja taorian'ny fanenjehana mahery vaika ireo mpianatra tao amin'ny ambaratonga faharoa tao amin'ny sekoly Luis Vives tao Valencia izany nataon'ny mpitandro ny filaminana [2], dia mbola lasibatry ny daroka ihany ny mpianatra, natositosika ary niharan'ny herisetra avy amin'ny mpitandro ny filaminana tao anatin'ny hetsi-panoherana am-pilaminana nataon'izy ireo. Ny tena marina dia naneho fanoherana ny herisetra ataon'ny mpitandro ny filaminana izy ireo. Tamin'ity indray mitoraka ity, dia nanomboka ny folakandro ny fanenjehana [3] izay nampiasàna hery tsy hay noeritreretina.
Ny lehiben'ny mpitandro ny filaminana tao Valencia mihitsy no nandray ireo mpanohitra ho toy ny “fahavalo [4]“, na dia tanora manomboka amin'ny 12 ka hatramin'ny 17 taona avokoa aza izy ireo , ary samy mpianatra avy amin'ny ambaratonga faharoa.
Haingana be ny fanehian-kevitry ny hetsika sosialy #15M nanamelohana ny fanenjehana ireo zaza tsy ampy taona ireo [5] ary mangataka ny hisian'ny fanadihadiana ary ho an'ireo mpanao politika sy ny lehiben'ny mpitandro ny filaminana mba hampitsaharana avy hatrany [6] ny fanenjehana ireo zaza tsy ampy taona ireo sy ny ireo mpandray anjara amin'ireo famoriam-bahoaka am-pilaminana.