- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Repoblikan'i Kongo: Taorian'ny Fipoahana, Fahatezerana Sy Fiaraha-Mientana

Sokajy: Afrika Mainty, Repoblikan'i Kongo, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Voina

[ny rohy  rehetra dia amin'ny teny frantsay ankoatra izay voalaza manokana.]

Iray andro taorian'ny  fipoahana fitoeram-bala tao Mpila akaiky an'i Brazzaville ny 4 marsa teo, dia tonga ny andro anombanana ny isan'ny niharam-boina. Ny fanombanana farany dia milaza fa manodidina ny 150 ka hatramin'ny 200 ny isan'ny maty ary 1500 ny isan'ny naratra vokatry ny fipoahana. Efa nanome lalana ny fahatezerana sy ny fiaraha-mientana ankehitriny ny hatairana sy ny fikoropahana.

Ao amin'ny Digital Congo [1], nanatsonga izay voalazan'ny gazety mivoaka isan'andro Le Phare izay nanolotra ny fitantarana  antsipirian'ny voina [2] [fr] ny fijerena ny lohatenin-gazety nivoaka nilaza ny nisian'ny fipoahana:

D’après les responsables congolais, les explosions ont été provoquées par un incendie dans le dépôt de munitions de la caserne du régiment blindé du quartier Mpila situé au bord du fleuve Congo. Des habitants sont encore prisonniers dans leurs maisons. Ils disent que tout le quartier Mpila a été détruit, a précisé Betu Bangana [Chef du protocole de la présidence congolaise]. Il y aurait plusieurs centaines de blessés

Araka ny nolazain'ny manampahefana kongoley dia vokatry ny fahamaizana tao amin'ny fitoeram-bala tao amin'ny tobin'ny fiara mifono vy, fokontanin'i Mpila manamorona ny reniranon'i Congo no nahatonga ny fipoahana. Mbola misy ny mponina no tafahitsoka ao an-tranony. Milaza ry zareo fa rava tanteraka ny fokontanin'i Mpila, hoy i Betu Bangana [Lehiben'ny fandaminana ao amin'ny prezidansa kongoley]. Anjatony maro no naratra  tamin'ny fipoahana.

Misy lahatsary navoaka tao amin'ny Youtube [3] avy amin'i Lebeization [4] mamelabelatra ny hagoavan'ny fiantraikan'ny fipoahana iray:

Ny sary manaraka, rakitsary [5] zaraina ao amin'ny facebook-n'i Congo Futur Espoir [6] mampiseho ny karazambala notehirizina tao Mpila:

[6]

Sarin ny karazam-bala heverina ho voatahiry tao amin ny fitoeram-balan i Mpila – avy amin ny takelaka Facebook-n i Congo Espoir Futur (nahazoana alalana avy amin ny tompony)

Nahatezitra ny mponina ny fahafahantarana fa tehirizina ao afovoan-tanàna itony karazana fitaovam-piadiana itony.

Ghislain Nardello [7] manontany ao amin'ny fanehoan-kevitra Facebook [8]:

Pourquoi l'armement de notre force armée peut etre gardée au coeur de la Capitale (Brazaville)? Car ceci allait etre utilisé que pour la defense de notre nation contre les autres, mais aujourdh'hui cela a servi a la bataille contre nos propre frères et soeurs congolais, et aussi à la destruction des biens de l'État et des civils. Le gouvernement doit prendre en charge les morts et blessés et dédommager les familles et recontruire leurs biens.

Nahoana moa no tehirizina ao afovoan-tanànan'ny renivohitra (Brazzaville) ny fitaovam-piadian'ny tafikantsika? Ho fiarovana ny tanindrazana amin'ny fahavalo no saiky nampiasana azy, saingy androany lasa ady namono ny rahalahy sy anabavy kongoley sady nandrava ny fananam-panjakana sy ny fananan'olotsotra. Tokony raisin'ny fitondrana an-tanana ny fikarakarana ny maty sy ny maratra sy ny manome onitra ho an'ny fianakaviana hananganany indray ny tranony.


Chancel Moussavou
 indray manohy [9]:

voila ce qui arrive quand on ne ne pense qu'aux armes! Tout cet argent dépensé pour l'achat de ces armes aurait servit a la construction d une ecole, d'un hosto ou bien d'une quelquonque entreprise! Comment les gens pouront ils se sentir en securité apres ce genre d accident! Franchement c'est pathétique!

Izao no mitranga rehefa tsy mieritreritra afa-tsy fitaovam-piadiana. Azo nananganana sekoly na hopitaly na orinasa izao ny vola lany rehetra nivodianana fitaovam-piadiana. Ahoana moa no hahatsapan'ny olona ho voaaro taorian'iny loza iny?  Tena mampihotakotaka mihitsy!

Hipoka ny hopitaly araka ny hita ato amin’ity [10] lahatsary nalaina avy tamin'ny Televizionam-Pirenena ka nozarain'i Patrick Eric Mampouya [11] ity:

Mifandamina hamonjy sy hanampy ireo fianakaviana sy namana niharam-boina ny Kongoley. Nanao antso [12] ho an'ny ampielezana ny ONG miorina ao Paris Synergies et Developpement de l'Afrique:

dans l’urgence, nous voulons renforcer les équipes sur le terrain ; apporter du matériel d’urgence médicale ou de première nécessité. Cela va des petits accessoires, des trousses de secours, des pansements, antiseptiques, petite chirurgie, compresses, médicaments, …

Noho ny fahamehana dia te-hanampy isa ny ekipa efa tonga any an-toerana izahay; hitondra entina mitsabo haingana na fitaovam-pitsaboana sy fanampiana. Miainga amin'ny kirakira madinika izany fitaovam-pamonjena, fitsaboana fery sy famehezana azy, fanadiovana, fandidiana madinika, kompresy, fanafody, …

Miara-mientana hifanampy amin'ny alalan'ny Takelaka Facebook [13] natokana ho an'i Brazzaville ihany koa ny kongoley.