Manodidina ny ririnina henjana ao Jordania sy ny fanantenana kely eny an-tsefantsefany eny, mba nahazo fankaherezana kely ny Ammanita nahita ranomandry ny Alakamisy teo, mba nandoko ny faran'ny herinandrony ho fotsy; bitsika safononoky ny hafaliana sy fizaràna sarin-dranomandry nandrakotra ny faritra manodidina ary ireo asa famoronana tampotampoka avy amin'ny ranomandry. Faran'ny herinandro nilalaovana tsy naraham-pepetra io, lavitra ireo fitsaratsaram-poana, fifanjevoan-kevitra, teritery sy fitsaratsarana zakaina na nbapetraky ny tena ho arahana. Ny fahalalahana mamorona sy mamerina manangana indray dia namoaka ny aty lalin'ny hakanton'ny fanahin'olombelona – na dia ho roa andron-dranomandry monja aza, dia tena fialantsasatra nahatretrika.
Ireto manaraka ireto ny sary vitsivitsy nozarain'ireo mpiondana aterineto :
Santimetatra vitsy dia ampy, sary avy amin'i Mohammad Magayda
Mihataka kely amin'ny rehetra, sary avy amin'i Ehab Othman
Feno ranomandry ny faritra ao Dabouk sy Khalda ka moa va fa tsy firenena hafa mihitsy!
Ary Reem Al-Masri dia nampitsongoloka ny olon'ny ranomandriny ho ambony ambany :
Betsaka sary mahatsikaiky namboarina tamin'ny ranomandry azonao jerena ato amin'ity lahatsoratra ity raha nanangona ireto sary ireto avy eny ifotony i BeAmman tamin'i Amman rakotry ny ranomandry. Ary jereo ihany koa ny angon-tsarin'i Reem Manna tsy mitsaha-mitombo napetrany ao amin'ny 7iber.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...