- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Mpampiasa Aterineto Iray Voatàna Nandritra ny 3 Andro Noho Ny Famerenany Namoaka Hafatra Iray Tao Amin'ny Vondrona QQ

Sokajy: Shina, Fisamborana sy faneriterena, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

Voasambotra ny pôeta iray, Zhou Nan [1], mipetraka any amin'ny tanànan'i Wenzhou, Zhejiang noho ny famerenany namoaka hafatra iray an'i Long Yihai tao anatin'ny vondrony QQ tao amina bilaogy bitika iray. [ny vondrona QQ dia sehatra fiadin-kevitra malaza ao amin'ny aterineto iresadresahana amin'olona maro.]

Ny hafatr'i Long Yihai tao amin'ny Weibo dia mikasika ireo fiaran'ny miaramila mivezivezy any amin'ny araben'i Baoding, renivohitri’ Hebei ny 27 Febroary 2012. Ny kaontin'i Long ao amin'ny Weibo [Jereo ny sarin'ny fàfana etsy ambany].

Araka ny loharano iray hafa ao amin'ny aterineto [2], notànan'ny mpitandro filaminana tany Wenzhou nandritra ny teloa andro i Zhou noho ny fanapariahany io tsaho io tao amin'ny aterineto.