Shina: Mpampiasa Aterineto Iray Voatàna Nandritra ny 3 Andro Noho Ny Famerenany Namoaka Hafatra Iray Tao Amin'ny Vondrona QQ

Voasambotra ny pôeta iray, Zhou Nan, mipetraka any amin'ny tanànan'i Wenzhou, Zhejiang noho ny famerenany namoaka hafatra iray an'i Long Yihai tao anatin'ny vondrony QQ tao amina bilaogy bitika iray. [ny vondrona QQ dia sehatra fiadin-kevitra malaza ao amin'ny aterineto iresadresahana amin'olona maro.]

Ny hafatr'i Long Yihai tao amin'ny Weibo dia mikasika ireo fiaran'ny miaramila mivezivezy any amin'ny araben'i Baoding, renivohitri’ Hebei ny 27 Febroary 2012. Ny kaontin'i Long ao amin'ny Weibo [Jereo ny sarin'ny fàfana etsy ambany].

Araka ny loharano iray hafa ao amin'ny aterineto, notànan'ny mpitandro filaminana tany Wenzhou nandritra ny teloa andro i Zhou noho ny fanapariahany io tsaho io tao amin'ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.