- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tany: Diabe Manerantany Manohitra ny Mpanao Didy Jadona Syriana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika

Tamin'ny Marsa 2011, raha nidina an-dalambe ny Syriana [1] mitady fahafahana sy rariny, dia sarotra ny hieritreritra fa herintaona taty aoriana dia namono olona an'arivony sy nisambotra ka nampijaly olona tsy voaisa intsony ny fitondrana tao.  Tratry ny fahirano ny mponina ao Homs hatramin'ny fiandohan'ny volana Febroary ary tsy mbola nisy toy izany ny famoretana ny mponina iray manontolo ao aminy, izay ahitana taham-pahafatesana 100 isan'andro [2]. Raha mbola tsy nifanara-kevitra amin'ny filàna fanerena ny fitondran'i Assad ny iraisampirenena, mihamiroborobo kosa ny fiaraha-mientan'olotsotra manerantany amin'ny Syriana ary mbola hahazo olona hatrany satria mahatratra ny tsingerintaona ny revolisiona Syriana.

Misy ny fandraisana an-tanana miantso Diabe Manerantany ho an'i Syria mikendry ny hahazo olona avy amin'ny lafivalon'ny tany hidina an-dalambe amin'ny 15,16 ary 17 Marsa ho fanohanana ny tolon'ny vahoaka Syriana. Ny fanentanana dia azavaina amina lahatsary antsoina hoe “Fanoherana ny mpanao didy jadona iray” izay ifampizarana tokoa an-tserasera.

Efa voakasa amina tanàna 16 ny diabe ho an'i Syria ary mihalava isan'andro ny lisitra. Nanangana hetsika Facebook [3] ahitana fampahafantarana isan-karazany momba ny filaharana tsirairay, sy ahitana ny fandrisihana ny olom-pirenena manerantany hijoro hanohitra ny famoretana ao Syria:

Herintaona no nanombohan'ny revolisiona Syriana. Herintaonan'ny herisetra atao amin'ny mpanao fihetsiketsehana milamina sy ny sivily tsy manantsiny. Herintaonan'ny ra mandriaka. Ary herintaonan'ny herimpo anoherana ny ratsy lehibe, saingy efa nivoady ny tsy hitsahatra ny vahoaka Syriana mandra-pirodan'ny fitondrana, mandra-pahazoana ny fahafahana sy ny fahamendrehana. Andao isika hijoro hiaraka amin'i Syria hanohitra ny famoretana amin'ny 15-17 marsa 2012 ary andao hanokana fotoana hahatsiarovana ireo lasa sorona hatramin'ny 15 Marsa 2011.

Toy izao manaraka izao ny lisitry ny tanàna hisy filaharana (ampio ato amin'ny hetsika Facebook [3] ny any aminareo sy ho tahaka ny fanehoan-kevitra amin'ity lahatsoratra ity) :

Toronto – Canada [4]; Washington DC – USA [5], Ottawa – Canada [6], Calgary – Canada [7], Montreal – Canada [8], Chicago – Illinois, US [9],
London – UK
, Geneva – Switzerland [10], Seine – France [11], Paris – France [12], Paris – France [13], Bergen – Norway [14], Zürich – Switzerland [15],
Germany – Munich
, San Francisco – USA [16] ary New Zealand [17].