Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ny Vondrom-piarahamonina Eny Anivon'ny Aterineto Ao Costa Rica Dia Mirotsaka Hiady Amin'ny SOPA Sy Ny Sivana

Taorian’ny fitokonana virtoaly niadiana tamin'ny Stop Online Piracy Act (SOPA) tany Etazonia  ary ny fikatonan'ny Megaupload nanaraka izay, izay tranokala fizaràna failo, ny vondrom-piarahamonina eny anivon'ny aterineto ao Costa Rica dia tsy mijanona teny ivelan'ny sehatry ny ady amin'ny fanivànana ny aterineto intsony.

Ny 17 Janoary dia, ilay fivondronanà bialogera ao Costa Rica TicoBlogger [es]  dia nanambara ny fanohanany ny ady  [es] tarihin'ny Wikipedia  (izay “nanakatona” ny pejiny amin'ny fiteny anglisy nandritry ny 24 ora).  Nandefa ny fanambarana toy izao  ny TicoBlogger [es]:

Porque somos una comunidad unida de personas que piensan diferente, pero creemos firmemente en el derecho que tiene cada uno de nuestros miembros de expresarse libremente es que desde el día de hoy y mañana, representativamente nos uniremos a Wikipedia, para hacer una lucha simbólica en contra de SOPA  y PIPA.

Los visitantes de cualquier blog de ticoblogger, se encontrarán mensajes en contra de la Censura de Internet, y el contenido parcialmente bloqueado en la primera visita.”

Sary famantarana manohitra ny SOPA. Nalaina tao amin'ny Ticoblogger.com

Satria izahay dia fitambaranà olona maro manana hevitra samihafa, kanefa mino marimarina izahay fa izahay isan'isany avy dia manana fahafahana hilaza ny heviny manokana, ary hanomboka mason'andro anio ka hatramin'ny fanatevananay laharana ny Wikipedia mba ho endriky ny ady amin'ny SOPA sy PIPA.

Ireo mpitsidika ny bilaogy samihafa ao amin'ny ticoblogger dia hahita ireo hafatra miady amin'ny Fanivànana Aterineto ary ireo votoaty voasakana amin'ny ampahany ao amin'ny pejy fandraisana.

Ireo bilaogy isan-karazany ao anatin'ny tambajotra TicoBlogger no nanohana ny fihetsiketsehana, namerina nandefa indray ny fanambaràna, nanivana ny ampahany amin'ny lahatsorany na nampiditra ny heviny manokana mba hiadiana amin'ny SOPA, toy ny El Alumbrado Público [es], izay nambaran'ny mpanoratra azy fa:

Como bloguero, no puedo estar a favor de una ley que busca privar a la población mundial de información, entretenimiento, y sobre todo de cultura y conocimiento.”

Izaho, amin'ny maha bilaogera ahy,  dia tsy afaka ny hanohana lalàna izay mitetika ny tsy hahazoan'izao tontolo izao vaovao, fialamboly, ary manoatra noho izany rehetra izany, kolontsaina sy fahalalana.

Tamin'ny anarany manokana, i Julio Córdoba, mpanoratra ny Ciencia Ficción dia manambara fa [es]:

Internet ha crecido por hombres y mujeres que libremente comparten sus ideas. La recreación, conocimiento y amistad nacional e internacional es uno de los grandes frutos de la herramienta. Son los menos quienes violentan derechos ajenos y soluciones equivocadas solo atentan contra el espíritu mismo de la red. Hoy, como miembro de ticoblogger, este blog se une a la protesta contra SOPA.

Niha-nitombo ny aterineto noho ireo lehilahy sy vehivavy maro mizara ny heviny amin'ny fomba malalaka. Ny fialambolim-pirenena sy iraisam-pirenena, ny fahalalana sy ny finamànana dia sasan-tsasany amin'ireo vokatra tsara indrindra nentin'ity fitaovana ity. Ireo izay manery ny zon'ny vahiny sy manome vahaolana tsy tonga lafatra ihany no mikiky manimba ny toe-panahin'ny aterineto. Ankehitriny, amin'ny maha mpikambana ao amin'ny ticoblogger ahy, ity bilaogy ity dia manatevin-daharana ny ady amin'ny SOPA.

Iray hafa amin'ireo bilaogin'ny fikambanana, Conejitos Suicidas [es], no nizara famintinana izay novolavolain'ny derechoaleer.org [es], izay manazava ny fomba mety hahazoan'ny SOPA mandona ireo mpampiasa azy, eny fa na dia any ivelan'i Etazonia aza. Raha ny mikasika izany, dia mitanisa [es] ireto manaraka ireto ry zareo:

si bien la ley sólo regirá en territorio estadounidence, al concentrar ese país la mayor parte de la infraestructura de la red, casi todos los servicios y sitios que utilizamos diariamente se verán afectados: Youtube, Wikipedia, Google o Twitter, como ejemplos.

Por otro lado, Estados Unidos aloja servicios básicos de la red, como el control sobre los dominios genéricos (.com, .net, .org) que aunque pertenezcan a sitios fuera de su territorio, a partir de su aplicación podrán ser inhabilitados desde Estados Unidos, sin considerar el sistema judicial del país afectado, según la campaña “anti SOPA” publicada por el sitio.”

Raha tena hifehy marina ao amin'ny faritry ny tanin'i Etazonia tokoa ilay lalàna, amin'ny fanangonana ny ankamaroan'ny foto-drafitr'asan'ny aterineto amin'ny firenena, dia saika ny sampan-draharaha rehetra sy ny tranonkala izay ampiasantsika andavanandro no tena ho voakasika tanteraka: Youtube, Wikipedia, Google na Twitter, raha hanonona anarana vitsivitsy.

Amin'ny lafiny iray, i Etazonia dia mampiantrano tolotra fototra eo amin'ny aterineto, toy ny fanaraha-maso ireo anaran-tsehatra ( .com, .net, .org) izay, na any anatin'ny tranonkala ivelan'ny faritry ny taniny aza, aorian'ny fampiatoana ny fampiharana azy io any Etazonia, ary tsy ijerena ny rafitry ny lalàna misy ao amin'ilay firenena tratra izany, araka ny fanentanan'ny tsy mpankasitraka ny SOPA izay nalefany tao amin'ny tranonkala.

Ny vaovaon'ny fanakatonan'ny FBI ny Megaupload sy ny valin-kafatry ny Anonymous namely ny governemantan'i Etazonia ( nanakatona ny tranonkalan'ny FBI, ankoatra ny hafa) ihany koa dia nanangana tabataba tao amin'ny tambajotra ara-tsosialy tany Costa Rica.

Ary tamin'izany, ny mpampiasa Twitter dia nihetsika faran'izay haingana. Nanoratra i Heidy Murillo (@Sancarleña77) [es] fa:

El FBI tiene el olfato político del un oso de peluche, cerrar #Megaupload después de #StopSopa fue una provocación gacha. #OpMegaupload #SDP.

Fihetsika ara-politikanà “ours” voro-damba ny an’ ny FBI, fihantsiana ady mahatsiravina ny fanakatonana ny #Megaupload nanaraka ny #StopSopa. #OpMegaupload #SDP.

Ho valin'izany fepetra noraisina izany, ny mpanoratra ny El Alambrado Público dia namosaka ny heviny [es] fa :

Una gran parte de la Internet, tal cual la conocemos hoy, ha desaparecido. Miles de blogs y foros quedaron inservibles. A comenzar de cero, ¿nada más eso queda? ¿Entenderían mi punto si pasara lo mismo con Taringa?

El contenido de entretenimiento es una mínima parte del gran error que cometió el Departamento de Justicia Estadounidense. No se trata de velar por el bienestar económico de Hollywood o Universal Music; se trata de garantizar y facilitar el acceso al conocimiento, a la cultura y a la información a la población mundial. Decenas de tutoriales libres, documentales de libre distribución, fotografías, documentos culturas e históricos han desaparecido”.

Ampahany betsaka tamin'ny aterineto, izay fantatsika ankehitriny, no nanjavona. Bilaogy sy vovonana anarivony no tsy azo nampiasaina intsony. Mila miainga hatrany amin'ny voalohany mihitsy isika, inona no mba tavela? Tianao ho fantatra ve ny hevitro raha ny mitovy amin'izany no hitranga any Taringa?

Ny votoaty amin'ny fialamboly no ampahany kely tamin'ny hadisoana goavana nataon'ny Departemantan'ny fitsarana ao Etazonia. Izany anefa tsy fijerena manokana ny fampandehanana tsara ny ara-toe-karena ao Hollywood na ny Universal Music; Fa kosa momba ny fanomezana antoka sy ny fanamoràna ny fahazoana fahalalàna, kolontsaina, ary vaovao ho an'izao tontolo izao. Tari-dàlana maimaim-poana amplony maro, fanadihadiana nozaraina maimaim-poana, sary marobe, antontan-taratasy mikasika ny ara-kolontsaina sy ara-tantara no nanjavona tsy hita popoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.