03 Marsa 2012

Tantara tamin'ny 03 Marsa 2012

Pôrtô Rikô: Diabe Hanoherana Ny Fantsom-pitaterana Solika

An-jatony ireo olona manerana ny nosy iray manontolo no nandray anjara tamin'ilay "Diaba Nasionaly: Mijoro manohitra mafy ny Fantsom-pitaterana Solika i Pôrtô Rikô" izay notarihan'ilay fikambanana Casa Pueblo. Mizara vitsivitsy amin'ireo sariny nandritra ity hetsika tao San Juan ity ilay mpanao gazety amin'ny alalan'ny sary, Ricardo Alcaraz.

03 Marsa 2012

Ny Vondrom-piarahamonina Eny Anivon'ny Aterineto Ao Costa Rica Dia Mirotsaka Hiady Amin'ny SOPA Sy Ny Sivana

Taorian'ny fitokonana virtoaly niadiana tamin'ny Stop Online Piracy Act (SOPA) tany Etazonia ary ny fikatonan'ny Megaupload nanaraka izay, izay tranokala fizaràna failo, ny vondrom-piarahamonina eny anivon'ny aterineto ao Costa Rica dia tsy mijanona teny ivelan'ny sehatry ny ady amin'ny fanivànana ny aterineto intsony.

03 Marsa 2012

Congo In Focus: Mampahery Ireo Mpianatra Kongôley Amin'ny Alalan'ny Fanaovan-gazetim-Bahoaka Sy Ny Multimedia

Rising Voices

Anne Medley, mpaka saripika an-gazety sy mpaka lahatsary mipetraka any Etazonia ary ny Hetsika ho an'i Kongô dia namolavola tetikasa fampianarana fanaovan-gazety "multimedia" ho famporisihana ireo mpianatra Kongôley amin'ny fitantaràn'izy ireo ny tantarany ho amin'izao tontolo izao. Notaterahina tamin'ny 2010 io atrikasa io ary nasongadina tao anatin'ilay vohikala 'Congo In Focus" ireo zava-bita avy tamin'izany.

03 Marsa 2012

Global Voices Podcast: Mahatsiaro Ireo Androntsika Tany An-tsekoly

Ato anatin'ity famoahana ity isika dia handeha ho any an-tsekoly. Miainga amin'ny fanabeazana henjana be any amin'ny Reniranon'i Niger, ary hatramin'ny fisaintsainana ny sasany amin'ireo fotoana mamy sy tsy hay hadinoina indrindra tamin'ny fotoana nandratoan'ireo mpandray anjara manerana izao tontolo izao ato amin'ny Global Voices fanabeazana. Kadoa: Ny fomba nahaizan'i Ethan nitendry haingana be.

03 Marsa 2012