Polonina: Fanambarana Iombonan'ny Zanaky ny Web

Mpaka sary sady poety poloney Piotr Czerski (tsidiho ny momba momba azy ao amin'ny Wikipedia teny poloney) no nanoratra voalohany indrindra tamin'ny teny Poloney ny “Fanambarana Iombonan'ny Zanaky ny Tambajotra” izay nanomboka niparitaka tamin'ny Web amin'ny fiteny marobe samihafa, taorian'ny nivoahany tamin'ny 11 febroary 2012, tao amin'ny gazeti-paritra ao Poméranie, ao Polonina, Dziennik Bałtycki.

Piotr Czerski, auteur du Manifeste Pologne Web (Photo de son blog sous licence CC by 3)

Piotr Czerski, mpanoratra ny "Manifeste des enfants du Web", ao Polonina (Sary tao amin'ny bilaoginy, nahazoana alalana CC 3)

Manambara ny fihetsehampon'ny taranaka niara-teraka tamin'ny fisandratan'ny tambajotra sy ny Aterineto ity Fanambarana Iombonana ity, mitaky ny fifanantonana mora eo amin'ny samy tanora avy amin'ny vazantany efatra, sy ny fisongadinan'ny kolontsaina iraisambe tsy mbola niy hatrizay, sy ny finiavana handray anjara amin'ny fivezivezen'ny haren-kolontsaina, mihoatra ny sisintany araka ny lalàna sy ara-jeografika noforonina.

Manamarika ny finiavana hisaraka amin'ny fifandanjan-kery nolovaina tamin'ny fahefana napetraka ny Fanambarana Iombonana :

Tsy anananay intsony ny tahotra tao amin'ny ray aman-dreninay fa manana ny lanjany miankina aman'aina ny raharaham-panjakana ary masina ny raharaha iantsorohan'ny Fanjakana. Tsy anananay intsony ny fanajana nateraky ny fifanalavirana eo amin'ny olom-pirenena manirery sy ny haavon'ny toerana onenan'ny saranga manjaka, zara raha tazana ao anaty rahona.

Noho izany dia manohitra ny fibodoan'ireo manana tombotsoa manokana ny fananan'olo-tsotra sy ny haren-kolontsaina iombonana, mbamin'ny fifehezan-dry zareo [mpibodo] ny andrim-panjakana ity taranaka ankehitriny ity, ka maneho ny filàn'izy ireo ny mangarahara, ny fahafahana ary ny  “demokrasia marina ary tena izy”.

Marina fa mety tsy misy anarana mahalaza na mbola tsy takatry ny sainay tsara fa ny zavatra tadiavinay dia ny demokrasia marina sy tena izy. Demokrasia izay mety ho tsy nandrandrain'ny mpanao gazetinareo hatrizay.

Fitakiana ilaina indrindra ankehitriny manoloana ny zavamisy hanoherana ny lalàna ACTA, izay hita ao anatin'ny faharanitan-tsaina ny fanahiana ny mety ho famonoana ny fahalalahana aterany, indrindra fa ao Eoropa Atsinanana.

Ny loharanon’ “ny fanambarana iombonana”, amin'ny teny poloney : “Mi dzieci sieci

Dika amin'ny teny frantsay : “Nous les enfants du Web

Amin'ny teny Alemana : “Wir, die Netz-Kinder

Amin'ny teny Anglisy : “We, the Web Kids

Amin'ny teny espaniola : “Nosotros, los hijos de la Web

Amin'ny teny estoniana : “Meie, võrgulapsed

Amin'ny teny soeda : “Vi, nätbarnen

Amin'ny teny  tchèque : “My, děti Sítě

Izany fanambarana iombonana izany sy ny akony tany amin'ny vazantany efatra tao anatin'ny fotoana fohy monja no vavolombelon'ny hetahetam-pahafahana sy demokrasia ary mangarahara, mihaika ny fiarahamonintsika ary voambaran'ireo, dieny ankehitriny, mpirotsaka an-tsitra-pon'ny fanatontoloana, sady ho olom-pirenen'ny aterineto mahadinika ao anatin'ny taompolo manaraka. Fiovam-penitra mahery vaika tsy misy isalasalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.