01 Marsa 2012

Tantara tamin'ny 01 Marsa 2012

Tonizia: Mampiasa Baomba Mandatsa-Dranomaso Sy Kobay Hanaparitahana Hetsika Sendikaly ny Polisy

Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy hazo hanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana nampiseho ny fanohanana ny firaisankinan'ny sendikà toniziana ( fantatra amin'ny fanafohezana anarana hoe UGTT) ny polisy, tao an-drenivohitra Tunis, ny andron'ny 25 Febroary. Nampangain'ny sendikà ho nanimba ny biraon'izy ireo ny mpikambana ao amin'ny antoko mitondra Ennahdha ka nanomana fihetsiketsehana. Mbola itsakitsahan-jò eo ampanaovana ny asany hatrany ny mpanao gazety.

01 Marsa 2012

Liberia: Miparitaka Ilay Volavolan-dalàna “Vonoy Ny Pelaka”

Nampahafantatra volavolan-dalàna iray izay mametraka ny fifanambadian'olona ho azo ampiharana ny sazy fanamelohana ho faty ny Vadin'ny Filoham-pirenena Liberiana Teo aloha Jewel Howard Taylor. i Jewel Howard Taylor dia loholona no sady Vady nisarahan'ilay filoha teo aloha Charles Taylor. Namerina nametraka volavolan-dalàna iray tahaka izay ary manohitra ny fifanambadian'olona mitovy, niteraka resabe, ihany koa i Oganda vao haingana izay. Fihoàrana ny lalàna ny fifanambadian'olona mitovy any aminà firenena Afrikana 38

01 Marsa 2012

Maoritania : “Eo afovoan'ny fanoherana vaovao amin'ny endriny elektronika i Facebook izao”

i Maoritania sy ireo mponina 3 tapitrisa ao aminy dia matetika no adinon'ireo mpampita vaovao, nefa izy koa dia anisan'ny niatrika fihesiketsehana sy fanoherana misonga hatrany, ao anatin'ireo fitroarana any amin'ny tontolo arabo. Tafatafa niarahana tamin'i Nasser Weddady, maoritanina tena mavitrika eny anivon'ny aterineto ao amin'ny Twitter, mikasika ny endrika vaovaon'ny media sosialy maoritaniana.

01 Marsa 2012