Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Febroary, 2012

Tantara tamin'ny Febroary, 2012

24 Febroary 2012

Timor Atsinanana: Saka, Rakakabe Anaty Lahatsary Mahatsikaiky Mialoha nny Fifidianana

Iray volana latsaka mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena ao Timor Atsinanana, ary iray amin'ny fomba fampiasany manokana ny media sosialy amin'ny fialohavan-dàlana ny fifidianana tsy dia matotra loatra - i Slogheinn ao amin'ny Youtube, dia nampakatra andianà lahatsary mahatsikaiky izay mananihany ny efatra amin'ireo mpirotsaka ho filoha isan'ny be mpahalala...

Kolombia: Olon-tsotra Mpanao Gazety Rahonana Noho Ny Lahatsariny Be Mpanaraka

Bladimir Sánchez, olon-tsotra manao gazety, dia efa nahazo fandrahonana sahady noho ny namokarany lahatsary iray mampiseho ny fanalàna an-terisetra ireo tantsaha sy mpanjono nanohitra ny fanamboarana tohodrano ho famokarana herinaratra ao amin'ny departemantan'i Hula, Kolombia tamin'ny 14 sy 15 Febroary. Tao anatin'ny telo andro latsaka fotsiny dia efa olona 600.000...

Etazonia: Asiana Indray Ny Kolontsain'ny Mpifindra Monina

Niteraka fahatafintohinana ny fanapahan-kevitra hanaisotra ny tetikasa fampianarana Meksikana-Amerikana, izay efa napetraka tao  amin'ny sekolim-panjakana ao an-tanànan'i Tucson, ao Arizona, tamin'ny taona 1998. Ho an'ny maro an'isa, ny fanesorana ny tetikasa sy ny fandraofana an-keriny ireo boky toy izao dia mampiseho mazava ny  fomba konservativa tafahoatra, izay manohintohina ny harena ara-kolotsaina sy...

Indray Andro Eto An-tany: Fiaraha-mijery Ireo Horonan-tsary Niarahan'Izao Tontolo Izao Naka

Ny horonantsary Indray Andro Eto An-tany dia fiaraha-mientan'olona avy amin'ny vazantany efatra noraketina nandritra ny andro iray ka ny 10 Oktobra 2010 izany ka maharitra 3000 ora mahery no voaangona, izay mahatalanjona ny fahasamihafan'ny karazany, ny adiady, ny voina,  ary ny fandresena izay niseho tamin'izany andro iray izany. Amin'ny (faha 22...

Brezila: Rafitra Famonjàna Tsy Lavorary Any Amerika Latina

Tao amin'ny Brazilian Sun nisy fanadihadiana iray momba ny toetoetry ny rafitra famonjana Breziliana amin'izao fotoana. Taorian'ny zava-doza nitranga nateraky ny afo tany amin'ny fonja tao Honduras nahafaty mpiara-mifonja 350, ny fandosirana nitranga tany amin'ny fonja tao Peru ary ny korontana tany amin'ny fonja tao Mexican, tena ilaina mihitsy ny...

23 Febroary 2012

Iran: Voarahon'ny Mailaka “Ho Voasazy Ianao” Ireo Mpanao Gazety

GV Mpisolovava

Maro ireo Iraniana mafana fo sy mpanao gazety no nahazo mailaka milaza fa ho voasazy izy ireo araka ny lalàna "Famaizana Islamika" ao amin'ny Repoblika Islamikan'i Iran.

Iran: Taratasinà Bilaogera Iray Voafonja “Lanitra Miloko Mangan'ny Hirifiry”

Dr. Mehdi Khazali, iraniana bilaogera iray voafonja, mpanonta boky ary mpanakiana ny governemanta, diananoratra taratasy iray tamin'ity volana ity avy any am-ponja, nanoritsoritany ny "Lanitra Miloko Mangan'ny Hirifiry" tamin'ny niainany voalohany ny tsy rariny any am-ponjan'i Iran izay iatrehan'ireo voafonja ny fampijaliana sy ny fanamelohana ho faty tsy misy antony

Hongria: Misy Loza Iray Hafa Miforona Mandrahona ny Tontolo Iainana

Ny Oktobra, nitarika loza goavana indrindra teo amin'ny tontolo iainana teo amin'ny tantaran'i Hongria tato ho ato ny firarahana fotaka mena mahafaty avy amin'ny fitahirizana tany Kolontár. Mampifantoka ny saina amina fitahirizana fakon'akora mampidi-doza ny Atlatszo.hu sy ny Greenpeace, any amin'ny vohitr'i Almásfüzitő, izay "mitete tahaka ny spaonjy" ary efa...

Digital Divide Data: Manampy Hananganana Harena Ara-olona Avy Amin'ireo Fiarahamonina Niangaran'ny Vintana

Rising Voices

Niainga tamin'ny fahitàna ny fahombiazan'ny fanapariahana ny IT tao India, dia niara-nanangana ny Digital Divide Data i Jeremy tamin'ny fametrahana ny hetsika Data Entry tao Kambodza tamin'ny 2001, nifantohana tamin'ireo tanora avy amin'ny rantsana faran'izay mahantra sy tsy nisy mpijery teo amin'ny fiarahamonina. Ny DDD dia nanome fahafahana ho an'ireo...

Frankofonia : Andro Manerantany Ho An'ny Tenin-dreny

Rising Voices

Ny 21 febroary no Andro Manerantany Ho an'ny Tenin-dreny. Ny niandohan'io fanomezam-boninahitra io sy fihodinkodinana kely ao anatin'ny tontolon'ny tany miteny sy mampiasa ny teny frantsay ary ireo teknolojia vaovao.