Afrika: Mifidiàna Izay Afrikana Mpisaintsaina Tena Henoin-teny Indrindra Mbola Miaina

Iza no Afrikana mpisaintsaina tena henoin-teny indrindra mbola velona amin'izao? Ny bilaogy Africa is a Country , na i Afrika dia firenena iray, dia mangataka ireo mpamaky mba hifidy ny Afrikana mpisaintsaina tena henoin-teny indrindra ao anaty lisitra ahitàna mpifaninana 12.

Manoratra mikasika ny nipoirain'ny hevitra i Sean Jacobs :

Tany amin'ny faran'ny taona 2011 tany dia nieritreritra izahay ny hangataka anareo, mpamaky hajaina, hoe iza no heverinareo fa Afrikana mpisaintsaina tena henoin-teny indrindra mbola velona ankehitriny. Nilaozanay aloha ilay hevitra nandritra izay fotoana izay noho ny zavatra nataonay nifanohitra tamin'ilay lisitra (mazava hoa azy, avahana amin'io ny lisitra nataonay ny faran'ny taona). Avy aminà bilaogy Anglisy Left Foot Forward no nitsirian'ny hevitra voalohany tato amiko, bilaogy izay nampanao fifininanana hamaritana “mpisaintsaina tena henoin-teny indrindra avy amin'ny elatra havia ho an'ny taona 2010/11.”

Manazava ny fomba nananganan-dry zareo ilay lisitry ny mpifaninana izy:

Ka dia eto isika izao. Ho entina manomboka ny zavatra ary,  dia ny lisitr'ireo mpifaninana noketrehanay avy ato anatiny. Tsy ny rehetra no ho faly amin'io lisitra io, saingy niezaka izahay ny hihevitra izay andianà manam-pahaizana mahasolo tena ny faritra samihafa eto amin'ny kaontinanta, fa tsy hoe avy aminà firenena iray monja. Araka izay nobitsihan'ilay Afrikana Tatsimo Mpanoratra, Zakes Mda, tsy ela akory izay : “i Zimbabwe dia mifampitaha fotsiny ihany amin'i Nizeria amin'ny resaka vokatra isam-batan'olona eo amin'ireo manam-pahaizana Afrikana (manam-pahaizana manokana, mpanoratra, mpahay siansa, mpahay toekarena sns.)” Ny marina dia, betsaka Afrikana Tatsimo sy Ejiptiana ny lisitra vakiraoka natao tsy tany ampiandohana. (Io vakiraoka io dia tsy noheverina hahazo toerana ary mpamaky iray no namaly antso. Dia nahitsy io.)

Tsorinay fa ity lisitra ity dia nijerena olona ary izany no antony ametrahanay ny hisian'ny fihodinana faharoa ka any dia ny soso-kevitrareo no hanavaka ny safidy.

Ny sasany te-hahafantara ny antony tsy nampidiranay olona tao amin'ny twitter: ny valinteninay dia hoe tsy azonay antoka hoe endri-tsoratra 140 dia hahatonga anao ho “manampahaizana iray.” Be ny zavatra ao amin'ny twitter, tafiditra amin'ireny ny bitsika avy aminay manokana, dia masaka antsasany ihany ary betsaka amin'izay antsoin-dry zareo Amerikana hoe “vazavazanà karnivaly” (miasa ho an'ny fivezivezena sy ny fisarihana mpanjohy), noho izany dia tsara kokoa ny mamela an'iny.

Ireo Afrikana Mpisaintsaina. Sary nindramina tamin'ny http://africasacountry.com/.

Misokatra hatramin'ny 5 Martsa 2012 ny fifidianana :

Vantany vao mikatona ny fifidianana, dia efa ho azontsika ny lisitr'ireo dimy voafantina. Avy eo vao tena hahaliana : Hanomboka dingana faharoa isika, misaraka mihitsy amin'ny fifidianana miainga avy amin'ny sosokevitra sy fangatahanareo. Izany hoe mifidy ianareo amin'ny dingana voalohany, dia havondronay ny lisitr'ireo folo niainga avy amin'ny sosokevitrareo tany anaty faritra natao ho an'ny fanamarihana, tany amin'ny pejinay facebook ary tany amin'ny Twitter. Izay mpifaninana efa tafiditra ao anatin'ilay lisitra voalohany dia tsy ho hita intsony ao anatin'ny lisitra faharoa. Hisy ny fifidianana faharoa ka hambaranay ny vokatra. Avy eo dia havondronay ireo dimy tafavoaka voalohany avy ao anatin'ny lisitra faharoasy ny lisitra voalohany. Eo dia hisy amin'izay ny fihodinana fahatelo sady farany mifototra amin'ny lisitra iray vaovao natambatra izay haharitra herinandro iray. Aorian'izay dia hambaranay ny nivoaka ho mpandresy tamin'izy rehetra ireo.

Ireto avy ireo mpifaninana : Samir Amin, mpandalina eny amin'ny ambaratonga ambony , mafàna fo, (Senegal/Ejipta), Jean sy John Comaroff, mpandalina eny amin'ny ambaratonga ambony , (Afrika Atsimo/Etazonia), Chinua Achebe, mpanoratra(Nizeria), Mahmood Mamdani, mpandalina eny amin'ny ambaratonga ambony , (Oganda), Mamdouh Habashi, mpandalina eny amin'ny ambaratonga ambony , politisiana, (Ejipta), Kwame Anthony Appiah, mpandalina eny amin'ny ambaratonga ambony , filozofa, (Ganà/Etazonia), Achille Mbembe, mpandalina eny amin'ny ambaratonga ambony , (Kamerona/Afrika Atsimo), J M Coetzee, mpanoratra, (Afroka Atsimo/Aostralia), Issa Shivji, mpandalina eny amin'ny ambaratonga ambony , (Tanzania), Nawal el Saadawi, mpanoratra sady mafàna fo, (Ejipta), Wole Soyinka, mpanoratra sady mafàna fo (Nizeria) ary Virginie Toure, mafàna fo, (Cote d'Ivoire)

Ny “Africa is a Country” dia bilaogy ifanotronana :Ilay bilaogim-baovao dia tsy mikasika ny hanoanana, Bono, na Barack Obama. Ho an'ireny, tsidiho ny Newsweek. Ireo mpiara-miasa matetika dia ny manampahaizana manokana amin'ny media, Brett Davidson; mpandalina eny amin'ny ambaratonga ambony Sean Jacobs (tao amin'ny AIAC izy no nanomboka), Neelika Jayawardane, Kathryn Mathers, Marissa Moorman, Lily Saint, Melissa Levin sy Dan Moshenberg; mpanoratra sady mpiaro ny resaka fahasalamana Caitlin L. Chandler; mpamokatra sarimihetsika Dylan Valley; mpanoratra sady mpandalina eny amin'ny ambaratonga ambony Abdourahman Waberi; ary Boima Tucker manana diplaoma ambony, Anni Lyngskaer, Sophia Azeb, Tom Devriendt, Loren Lynch, kaomiseranà fampirantiana sy ilay mpanokatra sarimihetsika Basia Lewandowska Cummings, ilay mpanoratra sady mpanao gazety Elliot Ross, ny mpanoratra Orlando Reade; Hinda Talhaoui; sy Mikko Kapanen.

Midira eto mba hifidy izay Afrikana mpisaintsaina tena henoin-teny indrindra ka mbola velona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.