- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shily: Mizàra Ny Sarin'Ireo Hetsi-panoherana tany Aysén Ireo Mpampiasa Twitter

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fampandrosoana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

[Ny lahatsoratra tena izy dia navoaka voalohany tao amin'ny La Opiñón [1] [es], gazetim-bahoaka ao anaty aterineton'ny tambajotra Mi Voz [2](My voice) network]

Nihanahazo hery ny hetsika sosialy iray izay mitaky hatsaràm-piainana bebe kokoa  sy fihenan'ny vidim-piainana any amin'ny Faritr'i Aysén [3] any Patagonia Shiliana, araka ny voatatitr'i Elizabeth Rivera teo aloha to an'ny Global Voices [4] .

Azon'ireo olom-pirenena any Aysén sary ary nampakarin-dry zareo tany amin'ireo vohikalan'ny tambajotra sosialy ireo fifandonana miharo herisetra izay niseho nandritra ny maraim-ben'ny 22 Fabroary, ny fanakànana ny arabe teo anelanelan'i Puerto Aysén [5] sy Puerto Chacabuco [6], ny famoretan'ny mpitandro filaminana sy ny hetsi-panoherana tsy misy fiafaràny.

Ny Twitter no sehatra izay mampiseho ny sary tena manohina avy amin'ireo hetsi-panoherana ireo, izay nanangoly ny faritra.

ny fakàna ny tetezan'ny Chacabuco, Jorge Espinoza C. (@espinozacuellar [7]):

[8]

Fifandonana teo amin'ny tetezan'ny Chacabuco any Aysén, 22 Febroary. Sarin'ny mpampiasa Twitpic Jorge Espinoza C. (@espinozacuellar)

[9]

"Fahatsiarovana ny alina iray feno herisetra tany Aysén." 22 Febroary. Sary an'ny mpampiasa Twitpic Jorge Espinoza C. (@espinozacuellar)

Sakan-dàlana amin'ny alina, Hetsi-panoherana ho an'i Aysén (@despiertaAYSEN [10]):

[11]

FSakàn-dàlana amin'ny alina tany Puerto Aysén, ny maraim-ben'ny 22 Febroary. Sary an'ny mpampiasa Twitpic Movement for Aysén (@despiertaAYSEN)

Maneho ny heviny an-dalambe i Coyhaique [12], Kallfulikan (@Kallfulikan [13]):

[14]

Sarin'ilay hetsi-panoherana tany Coyhaique, 22 Febroary. Sarin'ny mpampiasa Twitpic @Kallfulikan

Arabe eo anelanelan'i Puerto Aysén sy Puerto Chacabuco, Patricio Segura (@patsegura [15]):

[16]

Arabe eo anelanelan'i Puerto Aysén sy Puerto Chacabuco, 21 Febroary. Sarin'ny mpampiasa Twitpic Patricio Segura (@patsegura)

Arabe voasakana, Alonso Nuñez (@alonso_nunez [17]):

[18]

Arabe voasakana, 21 Febroary. Sary an'ny mpampiasa Twitpic Alonso Nuñez (@alonso_nunez)

Arabe mankany Coyhaique, Jorge Espinoza C. (@espinozacuellar [7]):

[19]

Arabe voasàkana eo anelanelan'i Aysén sy Coyhaique , Alahady 19 Febroary. Sary an'ny mpampiasa Twitpic Jorge Espinoza C. (@espinozacuellar)