Manapika sary iray isan'andro tao anatin'ny roa taona ny mpaka sary José Rodrigo Madera [es], ary anatin'ny tetikasany antsoina hoe “365” izany. Ny namany ao amin'ny Facebook ihany no nahita ny sariny mandra-pamoakan'ny gazety-boky Revista Cruce [es] sary 20 amin'izy ireny ho ankafizin'ny rehetra.
Milaza ny tenany ho toy izao i José Rodrigo Madera:
…fotógrafo de profesión y nunca estudió Artes. Estudió Comunicaciones en la Universidad Interamericana y quiere enseñar fotografía. Cree en el matrimonio y se considera de izquierda. Dedica todo su trabajo al hombre de su vida, Emil Alejandro, y a la mujer de su vida, Penelope.
Indreto ny santionany voafantina amin'ny sariny mahafinaritra.*

Pitcher: 1. Olona izay tsy voatery hanatontosa adidy na andraikitra atolotry ny tenany ihany noho ny antony samihafa. 2. Olona tsy mamaly antso.
*Ny sary rehetra dia nahazoana alalana avy tamin'ny mpaka sary sy ny Revista Cruce. Ny pika dia nadika avy tamin'ny lahatsoratra niaviany (ankoatra izay tamin'ny teny anglisy).