- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Trinite & Tobago: Nandray Anjara Tamin'ny Fetibe ny Mpamahana Bolongana

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Mediam-bahoaka, Saripika, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina

Androany ny Talatan'ny Fetibe ao Trinite sy Tobago ka mpamahana bolongana maro no mandray anjara amin'izany fetibe izany,  nahavita namoaka sary nandritra ny fanatrehany izany Fetibe 2012 izany…ny sasany amin'izy ireo At the drop of a Heartbeat [1] nandefa sary sasany misy ireo hetsika lehibe nandritra ny Fetibe Alatsinainy sy Talata :

Ny steelband "Birdsong" nandritra ny Atsasa-dalana Panorama

“Renin'ny Olombelona”, avy amin'ny tarika “Sanctification” (Fanamasinana), Mpanjaka & Mpanjakaavy tamin'ny fiatombohan'ny Fetibe

Fiakanjo hafa an'ny Mpanjaka sy Mpanjakavavy nandritra ny Fifaninanana voalohany tamin'ny Fetibe

Globewriter [2] vao voalohany no nandray anjara tamin'ny fetibe tao anatin'izay folo taona izay ary hoy izy nilaza:

K2K [andiana misarotava miaraka amin'izany] mety kokoa. Haingo mahatalonjana, fitafy raitra…

Globewriter ao amin'ny Sahan'ny Mpanjaka Savannah, Fetibe tamin'ny Alatsinainy

Naman'i Globewriter maka sary miaraka amin'ny andia K2K tamin'ny Fetibe

Nicholas Laughlin, izay mibilaogy eto [3],  namoaka sary marobe tao amin'ny flickr [4] ihany koa- ny anaran'ny antokony [5] tamin'ny fampisehoana 2012 dia “antoko Fowl”, avy amin'ny fomba fiteny ao amin'ny faritra [6] “Cockroach tsy manana toerana ao amin'ny antoko fowl” [7]. Natao izany fiantso izany ho fampitandremana ireo mpananika ara-tsosialy mba tsy hisehoseho ao amin'ireo toerana tsy tokony halehany, saingy ao amin'ny famantarana ny tarika, mametraka sakana ny amin'ny tsikera ara-tsosialy sy ara-politika izany.

Bikabikana tokontanim-borona, tao amin'ny toby fandraisana anjara

Kadradraka tao amin'ny" Antoko Fowl"

Fetibe miaraka amin'ny soram-baventy, taoriana ny fandalovana tamin'ny mpitsara tao amin'ny kianjan'i the Adam Smith

Nandalo tao amin'ny sahan'ny Mpanjaka vavy Savannah ny tarika, Fetibe tamin'ny Alatsinainy

Masquerader miaraka amina fitafiana manga, Fetibe tamin'ny Alatsinainy

Farany, ny fomba fanehoan-kevitra  nataon'ny mpaka sary sy ny tatitra navoakany momba ny Fetibe no nahatonga ny fahasimban'ny Fetibe, avy amin'i Mark Lyndersay [8], mpamahana bolongana sy mpaka sary taloha tamin'ny Fetibe:

Ity Fetibe ity dia tahaka ny fitambarana olona mitsangana, tànana misandratra mankany an-danitra sy hehy maharavoravo fanahy. Endrika mafana sy miantso izay manoritsoritra ny finamanana, hafaliana ary ny fahasiahan'ny lanonana Karaiba tafatambatra ho sary iray.

Ny tsy fisian'ny fandikana ny hita maso amin'ny hetsika no nanova tanteraka ny endriky ny hetsika, ny maha-izy azy sy ny fomba nandraketana azy ary ny fomba ampisehoana azy.

Ny famokarana sy ny fanontana ankahamehana amin'izao  fotoana izao ny sary ho enti-mandresy no vao maika manamafy ny tsy fipetrahany amin'ny tokony itoerany ny ivon'ny endriky ny lanonana sy ny firotsahana ao aminy tsy misy hafanampo.

Rehefa ovaintsika ity fitantarana ity amin'ny alalan'ny fomba fakana sary, filazana tantara isankarazany, mandrakitra lahatsary isan-karazany, dia hifotetaka ho resa-barotra sy mametra ny seha-pamoronana sisa no anto-pijoroan'ny aingam-pamoronana amin'ny Fetibe

Androany, raha afaka nanatrika ny fetibe ianao, topazo maso ireo fihetsika bitika an-jatony eo amin'ireo mpilalao sy ny mpaka sary, ao amin'ny fomba fandraketana ny Fetibe sy ny ataon'ny daholobe no mampizotra azy ho faty.