- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kolombia: Olon-tsotra Mpanao Gazety Rahonana Noho Ny Lahatsariny Be Mpanaraka

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Bladimir Sánchez, olon-tsotra manao gazety, dia efa nahazo fandrahonana sahady noho ny namokarany lahatsary iray [1] mampiseho ny fanalàna an-terisetra ireo tantsaha sy mpanjono nanohitra ny fanamboarana tohodrano ho famokarana herinaratra ao amin'ny departemantan'i Hula, Kolombia tamin'ny 14 sy 15 Febroary. Tao anatin'ny telo andro latsaka fotsiny dia efa olona 600.000 no nijery azy io.

Ao amin'ny Publimetro [2][es], i Camilo Andrés García Cortés dia manambara fa ilay lahatsary dia mety ho lasa “ny lahatsarin'olon-tsotra Kolombiana be mpijery indrindra” teo amin'ny tantara, noho ireo olona antsasakà tapitrisa nijery azy  tao anatin'ny roa andro monja. Ilay Lahatsary Tsy Tian'ny Governemanta Kolombiana Ho Hitantsika [1][es] dia mampiseho ny fanesorana an-terisetra niaretan'ireo vondrom-piarahamonina avy amin'ny lafiny roa tamin'ilay renirano, nijoro am-pilaminana nanohitra ny fananganana ilay tohodrano, ary manambatra ho iray ny fijoroana vavolombelona avy amin'ireo niharan'ny herisetra sy naratra. Toherin'ireo vondrom-piarahamonina ilay tohodrano satria hamela azy ireo tsy hanana antom-pivelomana raha toa ilay renirano ka havily làlana noho ny amin'ilay tetikasa. Rehefa namariparitra  ny fifandonana izay naharatrana mpanao hetsi-panoherana dia samy nilaza , na ny mpikambana ao anatin'ireo vondrom-piarahamonina, na ny mpanao gazety teny an-toerana fa tsy nisy mihitsy herisetra natao tamin'ireo manampahefana na teo aza io fanafihana io, ary ny fahafahana miditra tao amin'ny faritra nisy ny hetsi-panoherana dia nobahambahanan'ny polisy ho an'ireo mpanao gazety manao ny asany, ireo mpanara-maso ny fandriampahalenana ary ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona.

La acción violenta se cumplió coordinadamente entre el Gobierno Nacional y Emgesa contra campesinos y pescadores inermes cuya única respuesta fue cogerse solidariamente de las manos para abrazar el río Magdalena o lanzarse al mismo, mientras recibían cargas de gases lacrimógenos y granadas de aturdimiento, ocasionando varios heridos, entre ellos, el obrero de construcción Luis Carlos Trujillo Obregón quien perdió su ojo derecho.

Ilay hetsika feno herisetra dia fiaraha-miasa teo amin'ny National Government sy ny Emgesa [Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra. ny Emgesa dia orinasa tsy miankina nahazo ny alàlana hanangana ilay tohodrano hamokarana herinaratra] herisetra natao tamin'ireo tantsaha sy mpanjono nitondra tanam-polo, izay ny hany setriny nataon-dry zareo dia  ny fifandraisan-tanan'ny tsirairay nanamorona ny Magdalena River na mitsoraka any anaty rano toy ny hoe tratry ny entona mandatsa-dranomaso sy ny grenady mankarenin-tsofina, nahatonga ratra maro ka isan'izany ny mpiasa tao amin'ny fanorenana sahanin'ny Luis Carlos Trujillo Obregón izay namoy ny masony havanana.

Ao amin'ny tafatafa niarahana tamin'ny Publimetro [3] [es] i Bladimir dia niresaka momba ireo fandrahonana voarainy :

Recibí una llamada No aparece el número de la persona en el identificador (…) Me han enviado mensajes a mi correo. Me dicen que soy de las Farc, del ELN, que estoy atacando a la fuerza pública. Yo no soy nada de eso. Simplemente soy un realizador audiovisual que quiere mostrar la realidad de lo que pasa en el departamento del Huila.

Naharay antso aho, tsy niseho ny laharan'ilay mpiantso (-) Nisy nandefa hafatra tany amin'ny mailaka. Nolazain-dry zareo fa izaho dia mpikambana ao amin'ny FARC, ny ELN, sy hoe manohintohina ny herin'ny polisim-bahoaka aho. Tsy izaho izany rehetra izany. Mpandrakitra an-dahatsary fotsiny ihany aho, izay mba te-hampiseho ny tena zava-misy marina miseho ao amin'ny departemantan'i Huila.

Ao amin'ny pejiny Facebook Zeitgeist Huila [4] [es], i Bladimir dia nampakatra, tamin'ny 23 Febroary [5][es] fa hoe mbola naharay antso fandrahonana izy, ny iray amin'izany dia fandrahonana ho faty.