Tantara tamin'ny 24 Febroary 2012
Timor Atsinanana: Saka, Rakakabe Anaty Lahatsary Mahatsikaiky Mialoha nny Fifidianana
Iray volana latsaka mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena ao Timor Atsinanana, ary iray amin'ny fomba fampiasany manokana ny media sosialy amin'ny fialohavan-dàlana ny fifidianana tsy dia matotra loatra - i Slogheinn ao amin'ny Youtube, dia nampakatra andianà lahatsary mahatsikaiky izay mananihany ny efatra amin'ireo mpirotsaka ho filoha isan'ny be mpahalala indrindra.
Kolombia: Olon-tsotra Mpanao Gazety Rahonana Noho Ny Lahatsariny Be Mpanaraka
Bladimir Sánchez, olon-tsotra manao gazety, dia efa nahazo fandrahonana sahady noho ny namokarany lahatsary iray mampiseho ny fanalàna an-terisetra ireo tantsaha sy mpanjono nanohitra ny fanamboarana tohodrano ho famokarana herinaratra ao amin'ny departemantan'i Hula, Kolombia tamin'ny 14 sy 15 Febroary. Tao anatin'ny telo andro latsaka fotsiny dia efa olona 600.000 no nijery azy io.
Etazonia: Asiana Indray Ny Kolontsain'ny Mpifindra Monina
Niteraka fahatafintohinana ny fanapahan-kevitra hanaisotra ny tetikasa fampianarana Meksikana-Amerikana, izay efa napetraka tao amin'ny sekolim-panjakana ao an-tanànan'i Tucson, ao Arizona, tamin'ny taona 1998. Ho an'ny maro an'isa, ny fanesorana ny tetikasa...
Indray Andro Eto An-tany: Fiaraha-mijery Ireo Horonan-tsary Niarahan'Izao Tontolo Izao Naka
Ny horonantsary Indray Andro Eto An-tany dia fiaraha-mientan'olona avy amin'ny vazantany efatra noraketina nandritra ny andro iray ka ny 10 Oktobra 2010 izany ka maharitra 3000 ora mahery no voaangona, izay...
Brezila: Rafitra Famonjàna Tsy Lavorary Any Amerika Latina
Tao amin'ny Brazilian Sun nisy fanadihadiana iray momba ny toetoetry ny rafitra famonjana Breziliana amin'izao fotoana. Taorian'ny zava-doza nitranga nateraky ny afo tany amin'ny fonja tao Honduras nahafaty mpiara-mifonja 350, ny fandosirana nitranga tany amin'ny fonja tao Peru ary ny korontana tany amin'ny fonja tao Mexican, tena ilaina mihitsy ny mitondra vahaolana ho an'ity toe-draharaha ity.