- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Espaina: Herisetran'ny Polisy Manoloana Ny Mpianatra Ao Valencia

Sokajy: Eoropa Andrefana, Espaina, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora

Nanao hetsim-panoherana ireo mpianatra tao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa IES (Instituto de Educación Secundaria) Luis Vives ao Valencia (#IESLluisVives [1]) noho ny fampihenana ny fandaniana hampiharin'ny Minisitera ny fampianarana, satria voatery hitondra bodofotsy ao an-tsekoly izy ireo noho ny tsy fisian'ny hafanana na ny fahatapahan'ny milina famanàna.  Araka izany, maro ireo trangana fifanandrinana niseho [2] tao an-tsekoly noho ny fanafihana tsy amin'ny antony nataon'ny polisy nahazo baiko avy amin'ny Solontenan'ny Governemanta Paula Sánchez de León, ary niafara tamin'ny fampidirana am-ponja mpianatra folo izany.

Ireto ambany ireto andian-dahatsary mikasika ny fifandonanana mahatsiravina niseho, nivezivezy nanerana ny tambajotra an-tserasera ny lahatsary. Ny gazety an-tserasera sy ny valantserasera indray tamin'ity indray mitoraka ity no sehatra  nifampizarana vaovao, sy nahafahana niadian-kevitra.

@15MayoValencia [3]#nofuisteniño [4] si la policía te sacó de la inocencia a base de porra y pelotas de goma. Vergüenza #IESLluisVives [5] valencia.democraciarealya.es/post/177037460… [6]

@15MayoValencia [3]#youdidnthaveachildhood [4] (tsy zaza intsony ianao) raha nanafaka anao tamin'ny alalan'ny vely kibay na bala fingotra ny polisy.  Mahamenatra. #IESLluisVives [5] valencia.democraciarealya.es/post/177037460… [7]

(Nikone Le Fou) @NikoneCons [8]: Policía golpeando a muchach@s de 12 a 16 años en Valencia ¡Difúndelo! #IESLluisVives [5]

(Nikone Le Fou) @NikoneCons [8]:  Polisy namono ankizy 12 hatramin'ny 16 taona tao Valencia.  Aparitaho izany! #IESLluisVives [5]

:

(David Rodrigo) @deivid87vlc [9]La diputada @monicaoltra [10] también ha sido golpeada cuando se presento en la comisaria a preguntar por los 6 detenidos #IESLluisvives [11]

(David Rodrigo) @deivid87vlc [9]: Voadaroka ihany koa ny solombavambahoaka @monicaoltra [10] raha tonga tany amin'ny biraon'ny polisy hanontany vaovao momba ireo mpianatra enina nogadraina.  #IESLluisvives [11]

(Miguel Ángel Medina) @locodelpelorojo [12]Más de 5.000 personas piden en @actuable [13] que el Sindic de Greuges investigue la carga policial en #IESLluisVives [5] eskup.elpais.com/1329472559-838… [14]

(Miguel Ángel Medina) @locodelpelorojo [12]:  Vahoaka maherin'ny 5000 ao amin'ny @actuable [13] miangavy ny Sindic Greuges [mpanelanelana ny vahoaka sy ny fanjakana] hanao famotorana momba ny fanafihan'ny polisy tao #IESLluisVives [5] eskup.elpais.com/1329472559-838… [15]

Maro ireo sary azonao jerena eto [16].

Periodismo Humano nanantotosa fitantarana mivantana, azonao jerena eto [17].