- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Noafahana i Razan Ghazzawi sy ireo Vehivavy Mpiara-miasa Aminy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora, Vaovao Mafana, Zon'olombelona


Noafahana niaraka tamin'ireo vehivavy mpiara-miasa aminy ilay mpamahana bolongana Syriana sy mpitolona ho amin'ny fanehoan-kevitra an-kalalahana, Razan Ghazzawi tamin'ny Asabotsy teo. Avy amin'ny rahavavin'i Razan izany vaovao izany, izay ni-tweet tamin'ny hariva:

@NadineGhazzawi [1]: Ato an-trano ny rahavaviko:) saingy tsy afaka mandao ny firenena intsony izy…tsy navelan'izy ireo izy.

Afisy Afaho i Razan nampiasain ny mpanohana azy sy ny mpiara-miasa aminy

Amin'izao fotoana anoratana izao dia mbola any am-pigadrana ireo lehilahy mpiara-miasa aminy, araka ny hita ao amin'ny Takelaka Facebook Free Razan [2]:

AFAKA Razan sy ny vehivavy rehetra avy amin'ny SCM, AFAKA Razan !

Nosamborina tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity i Razan [3] sy ireo mpiara-miasa aminy 13 nandritra ny fanafihana ny biraon'ny Ivontoerana ho amin'ny fahalalahana miteny Syriana miorina ao Damaskosy.