Noafahana niaraka tamin'ireo vehivavy mpiara-miasa aminy ilay mpamahana bolongana Syriana sy mpitolona ho amin'ny fanehoan-kevitra an-kalalahana, Razan Ghazzawi tamin'ny Asabotsy teo. Avy amin'ny rahavavin'i Razan izany vaovao izany, izay ni-tweet tamin'ny hariva:
@NadineGhazzawi: Ato an-trano ny rahavaviko:) saingy tsy afaka mandao ny firenena intsony izy…tsy navelan'izy ireo izy.

Afisy Afaho i Razan nampiasain ny mpanohana azy sy ny mpiara-miasa aminy
Amin'izao fotoana anoratana izao dia mbola any am-pigadrana ireo lehilahy mpiara-miasa aminy, araka ny hita ao amin'ny Takelaka Facebook Free Razan:
AFAKA Razan sy ny vehivavy rehetra avy amin'ny SCM, AFAKA Razan !
Nosamborina tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity i Razan sy ireo mpiara-miasa aminy 13 nandritra ny fanafihana ny biraon'ny Ivontoerana ho amin'ny fahalalahana miteny Syriana miorina ao Damaskosy.
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...