Senegal: Gidragidran'ny Polisy Sy Ny Mpanao Fihetsiketsehana Herinandro Mialoha Ny Fifidianana

Firenena niavian'ireo mpitarika politika Afrikana malaza toa an'i Cheikh Anta Diop sy i Léopold Sédar Senghor, Noheverina ho Mpitari-dalan'ny Demokrasia eto Afrika hatrany  i Senegal.  Saingy tsy izany intsony.

Herinandro mialoha ny fifidianana filoham-pirenena dia rendrika ao anatin'ny herisetra nateraky ny firotsahan'ny filoha ankehitriny Abdoulaye Wade mitady fe-potoana fahatelo hofidiana indray i Senegal.  Nanomana fihetsiketsehana an-dalambe hanoherana ny fitadiavan'i Wade fe-potoana hafa itondrana, izay heverin'izy ireo ho fanitsakitsahana mivandravandra ny Lalampanorenana ny mpanohitra hatramin'ny fotoana naneken'ny Fitsarana Momba ny Lalampanorenana ny firotsahan'i Wade.

Nandritra ny  enina andro izay no nifanandrina tamin-kerisetra ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana ary ny faratampony dia tamin'ny 17 Febroary. Nitatitra ny Amnesty International fa maro ny mpanao fihetsiketsehana no norahonana sy nosamborina. Ny Cheikh Bamba Dièye, iray amin'ny kandidà mirotsaka hofidiana, dia nosamborina sy notazonina vetivety noho ny fandraisany anjara tamin'ny fihetsiketsehana [fr].

Sakana napetraka noho ny hamehana hoy i momonad1

Nirehitra nandritra izay efatra andro farany izay ny gidragidra, ka niadian-kevitra sy noratekina tamin'ny tambajotra an-tserasera ny sary sy lahatsary momba izany. Ny tenifototra ampiasain'ny mpisera Twitter itaterana ny gidragidra sy ny tranga mandritra ny fampielezan-kevitra ao Senegal dia ny #sunu2012 sy ny #kebetu ary ny #M23.

Hatramin'ny 10 no naratra nandritra ny fifanandrinana. Indreto ny sary sy lahatsary vitsivitsy tamin'izay nitranga tao Dakar:

Lehilahy naratra nandritra ny fihetsiketsehana tao Dakar hoy i Basile Niane

Ity lahatsary ahitana polisy mitoraka grenady tamina moskea iray ity no nanafintohina ny Senegaley maro:

Heristra hafa manodidina ny moskea:

Lehilahy miezaka midify ny entona mandatsa-dranomaso hoy i Alioune Diop

Lahatsary iray avy amin'ny bilaogera Basile Niane tao amin'ny fihetsiketsehan'ny Kianjan'ny Fahaleovantena:

Polisy ao Dakar efa vonona hoy i Mr Boombastic Pio

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.