- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libya: Mankalaza ny Herintaonan'ny Revolisiona

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libia, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Vaovao Mafana

Mitohy ny fankalazana ao Libya, izay manamarika ny herintaonan'ny revolisiona nampiongana an'i Muammar Gaddafi, izay nitondra ny firenena nandritra ny 42 taona. Nizara ireo fankalazana sy fientanam-po  niseho  ny mpiserasera tao amin'ny tranonkala Twitter.

Libyana Hamza Malek nanamarika hoe:

@IbnOmar2005 [1]: Resaka tena izy: misaotra ireo rehetra tsy libyana any ivelany nanohana ny tolon'ny libyana ho amin'ny fahafahana. Anisan'ny voakasik'izany koa ianao. #Libya

ary nanampy izany tao anatin'ny fisalasalana ihany koa izy hoe:

@IbnOmar2005 [2]: Androany no hanamarihana ny herintaonan'ny fihetsiketsehana voalohany tena izy tao #Benghazi #Libya izay nampiongana an'i #Gaddafi. Mbola tsy mino izany foana aho

Nisaotra an'i Shabab Libya (Tanoran'i Libya) ny mpandraharaha Libyana noho ny fizarany ny vaovao mikasika ny revolisiona, indrindra tamin'ny andro voalohany niandohan'izany.


@LibyanAffairs
: @ShababLibya misaotra noho ny asa tsara nataonao nandritra ny andro voalohany #Feb17! Loharanom-baovao mahatalanjona ho anay aty an-toerana ianao #Libya

Feb17Libya mampahatsiahy antsika:

@Feb17Libya [3]: Raha niantso antsika ho toy ny voalavo i Gaddafi, nampisehoantsika azy ny tena maha-lehilahy antsika- #Libya #Feb17

Nanampy toy izao ilay mpanao gazety ao amin'ny CNN, Jomana Karadsheh:

@JomanaCNN [4]: Tsy mahay manoritsoritra ny zava-misy ao #Tripoli . Mbola tsy nahitana tahaka izao ny tao an-tanàna hatrizay. Afomanga, dihy eny an-dalana..alina mahavariana! #Libya

Libyana nanoritsoritra fankalazana hafa tao Tripoli:

@Tripolitanian [5]: Manipy chocolat avy eny ambonin'ny tafontranony ny olona, mahafinaritra tokoa ny zava-miseho! #Tripoli #Libya #Feb17

Ali Tweel nizara ity lahatsary ity tao amin'ny YouTube izay ahitana arendrina manidina eny amin'ny kianjan'ny Martiora ao Tripoli:

Afaka henoinao any amin'ny farany ny feo, anisan'izany ny feona anjomara amin'ny fiara.

Libyana Akram ihany koa nizara ity sary [6] ity tao amin'ny flickr, misy afomanga mamirapiratra eny amin'ny habakabak'i Tripoli tao anatin'ny fankalazana.

Nandritra izany, andriamatoa mpahay tetik'ady ao amin'ny NPR Andy Carvin,  nanampy betsaka tamin'ny fanamafisana ny feon'ny mpiserasera Libyana nandritra ny revolisiona, tao Benghazi izy, tonga manokana nandray anjara tamin'ny fankalazana.

Ni-tweet izy hoe:

@acarvin [7]: Ary nandrenesena poabasy lavitra nandritra ny fankalazana. Heno tsara ihany koa ny feona fiara. #benghazi