VAOVAO FARANY: Noafahana i Razan Ghazzawi sy ireo vehivavy mpiara-miasa aminy tamin'ny Asabotsy teo. Tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity kosa dia mbola notazonina ireo lehilahy mpiara-miasa aminy.
Tamin'ny Alakamisy 16 Febroary 2012 lasa teo, nosamborin’ ny mpitandro ny filaminana Syriana i Razan Ghazzawi, mpamahana bolongana sy mpitolona ho amin'ny fahalalahana maneho hevitra, nandritra ny fidinan'izy ireo tao amin'ny birao fiasan'ity mpitolona ity ao amin'ny Foibe Syriana momba ny Fahalalahana Maneho Hevitra ao Damaskosy. Nosamborina niaraka tamin'i Ghazzaki ireo mpiara-miasa aminy miisa 13 , anisan'izany ny Lehiben'ny Foibe, Mazen Darwish.
Fanindroany izao fisamborana an'i Razan Ghazzawi ataon'ny manampahefana Syriana izao. Tamin'ny volana desambra 2011 izy no nosamborina voalohany tao amin'ny sisintany Syriana-Jordaniana raha saika andeha hanatrika ny konferansa momba ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera. Niteraka resabe tao amin'ny aterineto ny fisamborana azy ka nisy ny fanentanana iraisam-pirenena nitaky ny famoahana azy tsy misy hatak'andro. Navoaka ihany i Razan taorian'ny 15 andro nitazonana azy tany am-ponja.

Iray amin'ireo afisy lehibe misy ny sarin'i Razan nozarain'ireo mpanohana azy taoriana ny fisamborana azy tamin'ny taon-dasa volana desambra.
Mpamahana bolongana Syriana teraka Amerikana i Ghazzawi izay nandray anjara tao anatin'ny Global Voices Online sy ny Global Voices Advocacy. Iray amin'ireo mpamahana bolongana mahery fo vitsy an'isa ao Syria izy ary mpamoaka lahatsoratra amin'ny tena anarany izy, na dia efa nosamborina aza tamin'ny voalohany.
Mpamahana bolongana Syriana Nidalat no anisan'ireo voalohany namoaka ny vaovao. Toy izao manaraka izao ny lahatsoratra navoakany:
إننا في المركز السوري للدراسات والأبحاث القانونية ندين هذا الاعتقال ونطالب السلطات السورية بإطلاق سراحهم فورا ونعتبر هذه الخطوة تجاه المدافعين عن حرية التعبير تؤكد موقف وسعي السلطات السورية لخنق أي صوت وحتى خنق الأصوات المدافعة عن حرية التعبير وزيف الادعاءات بالانفتاح والحوار وتعديل الدستور والسماح بالحقوق الأساسية للإنسان.
Niteraka fahadisoam-panantenana teo amin'ny mpiserasera izay naneho ny heviny avy hatrany izany vaovao izany. Nadine Ghazzawi, rahavavin'i Razan, ni-tweet:
@NadineGhazzawi: Nosamborin'izy ireo indray ny rahavaviko Razan Ghazzawi! Nosamborina tao am-piasany ao amin'ny Foibe ao Damaskosy izy androany hariva
Mpanao gazety Ahmed Shihab-Eldin nitaraina:
@ASE: Andro mampalahelo sahady indray ho an'i #Syria sy ny #FreeSpeech [fahalalaham-pitenenana]
BSyria nahatsiaro ny resaka farany niarahany tamin'i Razan:
@BSyria: Ni-chat niaraka tamin'i Razan aho omaly. Nanontaniako izy hoe: Misy manelingelina anao ve? Namaly izy hoe, “Tsia, lazaiko anao fa tsy olona ambony tahaka izany aho.” #FreeRazan
Raha hijery ireo fihetseham-po maro momba ny fisamborana an'i Ghazzawi, tsidiho ny tenifototra #FreeRazan ao amin'ny Twitter. Afaka tsidihana ihany koa Pejy Facebook mitaky ny fanafahana azy.
Azo jerena ao amin'ny Global Voices Advocacy ihany koa ny lahatsoratra.