Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

19 Febroary 2012

Tantara tamin'ny 19 Febroary 2012

Syria: Noafahana i Razan Ghazzawi sy ireo Vehivavy Mpiara-miasa Aminy

Noafahana niaraka tamin'ireo vehivavy mpiara-miasa aminy ilay mpamahana bolongana Syriana sy mpitolona ho amin'ny fanehoan-kevitra an-kalalahana, Razan Ghazzawi tamin'ny Asabotsy teo. Avy amin'ny rahavavin'i Razan izany vaovao izany, izay ni-tweet tamin'ny hariva: @NadineGhazzawi: Ato an-trano ny rahavaviko:) saingy tsy afaka mandao ny firenena intsony izy…tsy navelan'izy ireo izy. Amin'izao fotoana anoratana...

Syria: Razan Ghazzawi Nosamborina … Indray

nosamborin' ny mpitandro ny filaminana Syriana i Razan Ghazzawi, mpamahana bolongana sy mpitolona ho amin'ny fahalalahana maneho hevitra, miaraka amin'ny namany 13. Mitatitra i Hisham Almiraat.Syrian security forces have arrested Syrian blogger and freedom of speech advocate Razan Ghazzawi again, along with 13 of her colleagues. Hisham Almiraat reports.

Libya: Mankalaza ny Herintaonan'ny Revolisiona

Mitohy ny fankalazana ao Libya, izay manamarika ny herintaonan'ny revolisiona nampiongana an'i Muammar Gaddafi, izay nitondra ny firenena nandritra ny 42 taona. Nizara ireo fankalazana sy fientanam-po  niseho  ny mpiserasera tao amin'ny tranonkala Twitter. Libyana Hamza Malek nanamarika hoe: @IbnOmar2005: Resaka tena izy: misaotra ireo rehetra tsy libyana any ivelany...

Senegal: Gidragidran'ny Polisy Sy Ny Mpanao Fihetsiketsehana Herinandro Mialoha Ny Fifidianana

Herinandro mialoha ny fifidianana filoham-pirenena dia rendrika ao anatin'ny herisetra nateraky ny firotsahan'ny filoha ankehitriny Abdoulaye Wade mitady fe-potoana fahatelo hofidiana indray i Senegal. Nanomana fihetsiketsehana an-dalambe hanoherana ny fitadiavan'i Wade fe-potoana hafa itondrana, izay heverin'izy ireo ho fanitsakitsahana mivandravandra ny Lalampanorenana ny mpanohitra hatramin'ny fotoana naneken'ny Fitsarana Momba ny...