Tantara tamin'ny 18 Febroary 2012
Maraoka: Mpianatra Nogadraina Fa Nanevateva Ny Mpanjaka Tao Anatina Lahatsary
Tamin'ny Alatsinainy 13 Febroary teo, niampanga ilay mpianatra, Abdelsamad Haydour 24 taona higadra 3 taona an-tranomaizina sy handoa lamandy 1200 dolara amerikana ny fitsarana ao an-tanànan'i Maraoka ao Taza noho ny fitsikerana nataony tamin'ny mpanjakan'i...
Arabia Saodita: Mitsingilahila Ny Ampitson'i Hamza Kashgari, Mpanao Gazety
Nahatonga tsela-baratra tao amin'ny media sosialy i Hamza Kashgari, Saodiana iray mpanao gazety, rehefa nitoraka bitsika mikasika resaka noforonin'ny saina niarahana tamin'ilay Mpaminanilahy Mohammed ny tenany., izay nitarika ny fitsoahany ny firenena noho ny fandrahonana ho faty. Ankehitriny, miady hevitra ny amin'izay hahazo an'i Kashgari ireo mpampiasa ny media sosialy satria dia haverina an-tanindrazana avy any Malezia ny tenany.
Trinite & Tobago: Miresaka Ny Zava-drehetra Momba Ny Fitiavana Ny Mpitoraka Bilaogy Karen Walrond
Ny tena fitiavana dia mbola maro lafy mihoatra noho ny fitiavana romantikan'i Eros; inona no fanomezana tsara indrindra amin'ny Andron'ny Mpifankatia ankoatry ny firesahana momba ny fitiavana miaraka amina Karaibiana iray mpitoraka bilaogy izay mipetraka indrindra amin'ny fanomezana fitiavana sy hery miabo anatin'ny tontolon'ny bilaogy no asany?
Singapore: Miresaka Momba Ny Tantaranà Fijangajangana Ataon'ny Mpanao Politika amim-behivavy Ivelan'ny Fanambadiana Ny Vahoaka
Misy mpanao politika avy ao amin'ny mpanohitra iray niala tamin'ny toerana maha-mpikambana azy ao amin'ny Komity Mpanatanteraky ny antokony manoloana ireo tsaho amina resaka fiarahana amim-behivavy ivelan'ny fanambadiana. Niresaka mikasika izany raharaha izany ireo mpampiasa aterineto anatinà tambajotra sosialy maro ary maro no naneho ny tsy fahatakarany mikasika ny fomba nitondran'ny Antoko Mpanohitra izany raharaha izany
Hong Kong, Shina: Fifanarahana Fahazoan-dalana Ny Vahiny Hitondra Fiara Miteraka Tahotra sy Hatezerana
Niakatrakatra ny fifanenjanana teo amin'i Hong Kong sy i Shina tanibe tao anatin'ny volana vitsivitsy izay. Raha maharomotra ny gidragidra madinika, tahaka ny rombo tanaty fiaran-dalamby, dia niteraka sahotaka sy fahatezerana teo...