- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Tapaka ny Aterineto Ny Andro Alohan'ny Hetsi-panoherana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona

Zava-misy iainana isan'andro [1] ao Iran ny aterineto miadam-pandeha sy ny fanivanana, saingy tamin'ny farany teo, nilaza ny tati-baovao tao an-toerana fa nanjary tsy azo nidirana [2] ny mailaka sy ny tranokala voaaro (https: [3]) , no sady miadam-pandeha ihany koa ny Aterineto ary tsy mahatafasokatra ny pejy fidirana ny rindrambaiko (logiciel) manohitra ny sivana. Nanomboka tamin'ny Alakamisy 9 Febroary 2012 lasa teo izany fahatapahana ampahany ny Aterineto izany.

Raha tsy nandrenesam-peo ny manampahefana Iraniana manoloana izany, mpamahana bolongana sasany kosa nilaza fa noho ilay hetsim-panoherana atao amin'ny 14 Febroary izao (ao amin'ny alimanaka Iraniana, 25 Bahman) no antony nanapahana ny aterineto. Manamarika ny faha herintaonan'ilay [4] hetsika notarihin'ny lehiben'ny mpanohitra tamin'ny taona 2011 ny hetsi-panoherana (n)atao (t)amin'ny Talata, ho firaisankina miaraka amin'ny fikomiam-bahoaka tao Ejypta sy Tonizia. Feno herisetra tanteraka ny famaizana [5] tamin’ izany andro izany ka olona roa farafahakeliny no namoy ny ainy tao Teheran.

An Internet cafe in Tehran, Iran. Photo by Mr_L_in_Iran. Copyright © Demotix (24/02/11) [6]

Cyber ao Teheran, Iran. Sary avy amin'Andriamatoa _L_in_Iran. Copyright © Demotix (24/02/11)

Ny bilaogin'i Azadi-Esteqlal-Edalat (Fahalalahana, Fahaleovan-tena, Fahamarinana) nanoratra [7]:

Nihorohoro ny fitondran'i Khamenei raha niantso ny vahoaka hanao fihetsiketsehana ny Hetsika Maitso. Araka ny voalazan'ny tati-baovao sasany, ny ankamaroan'ny ao amin'ny firenena ao Tehran hatrany Ardebil, dia tsy afaka miditra mailaka Gmail, Yahoo mailaka, Google na Google+ ny olona. Azo lazaina izao fanapahana ny aterineto izao fa fikasan'ny fitondrana hanakanana ny mpitolona Maitso tsy hifampizara vaovao amin'ny olona mba handray anjara amin'ny hetsika  amin'ny andro farany amin'ny volana Febroary. Tsy nisy ilàna azy akory anefa izany fikasan'ny fitondrana izany satria efa nifampilaza tamin'ny namany sy ny fianakaviany ny mpitolona Maitso, ary efa namorona fomba hafa nifampizarana ny vaovao, toy ny fanoratana ny teny filamatra amin'ny vola taratasy.

Dara 1390 nilaza [8] hoe:

Tsy misy isalasalana mihitsy fa ny hetsika atao amin'ny 14 Febroary no anton'ny nanapahan'ny governemanta ny aterineto. Matahotra izay mety ho fihetsiketsehana eny an-dalambe izy ireo. Tsy fantatray izay ho fihetsiky ny olona amin'ny 14 Febroary kanefa efa mivonona amin'izany andro izany sahady ny fitondrana.

Mpamahana bolongana hafa, Mborjan nanoratra [9]:

Hatramin'ny Talata, tsy afaka nidirana ny Gmail, Facebook ary tsy nety intsony koa ny tranokala https, farafaha-akaiky ao Isfahan. Nahare aho fa ao an-tanàndehibe ihany no nitrangan'izany. Mandeha tsara toy ny mahazatra kosa ny eny amin'ny tanàna kely sy ny ambanivohitra.

Yadasht Ha (midika hoe ‘fanamarihana’) nanambara [10] ampanesoana fa rehefa miverina izany, “Hampiasa (voromailala) izahay fa tsy mailaka eto an-toerana.”

Bani Man nitatitra [11] ihany koa fa satria efa akaiky ny andron'ny fihetsiketsehana, notapahan'ny fitondrana ny Gmail sy ny Faceboook. Nitanisa lahatsoratra [12] tao amin'ny Forbes ity mpamahana bolongana ity fa noho ny famoretana an-tserasera ao Iran, dia manandrana mijery fifandraisana manafin-kafatra tsy mamela dia ny rindrambaiko Tor [13] manafina ny olona ho tsy fantatra.