Madagasikara : Ny Fahasimbana Nateraky Ny Rivodoza Giovanna An-Tsary sy An-Dahatsary

Niditra an-tanety teto Madagasikara [fr] tamin'ny 13 febroary tamin'ny valo ora alina ora eto an-toerana ny rivodoza Giovanna. Tafiditra tamin'ny sokajy fahaefatra ilay rivodoza, amin'ny rivotra 194km isan'ora (120mph) nentiny izay nanapaka hazo sy ny andrin-jiro. Araka ny tatitra nivoaka ofisialy dia 10 raha kely indrindra ny maty amin'izao fotoana izao.  Tapaka jiro nandritra ny fotoana maharitra ny tanàndehibe roa indrindra eto Madagasikara dia Antananarivo sy Toamasina izay sambany niaina ny andron'ny mpifankatia tanatin'ny aizina ela indrindra hatramin'izay.

Olona tratran ny fiakaran ny rano teto Madagasikara, saripika Minosoa Paniela

Na dia tao anatin'ny fotoan-tsarotra aza dia mbola afaka nitatitra araka izay azony natao ny vokatry ny fandalovan'ny rivodoza tany amin'ny faritra misy azy ihany ny mpisera ny tambajotran-tserasera.  Tokotokony ho 1100 ny vaovaon'ny twitter milazalaza momba ny rivodoza tao anatin'ny 48 ora. Namoaka ny sarin'ny manodidina azy tao amin'ny Facebook ny mponina Malagasy ary nisy ny famoahana an-tsarintany izay nahitana voina hanangonana ny tatitra hita tamin'ny tambajotran-tserasera, mailaka ary SMS. Natsangana ny bolongana natokana hamoahana sary momba ny nataon'ilay rivodoza teto Madagasikara.

ilay sarintany ifandrimbonana avy amin'ny bilaogera Malagasy 

 

Indreto sary sy lahatsary vitsivitsy ahitana ny nateraky ny voina:

Mitsiky hatrany na dia teo aza ny nateraky ny rivodoza Giovanna avy amin i @aKoloina

Nandifotra trano sy fiara ny renirano Imamba nitondraka tao Sabotsy Namehana hoy http://giovanna77.blogg.org

Filaharana anaty tondra-drano hoy Madaplus.fr

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.