Maraoka: Voasambotra Noho Ny Famoahana Sarisary Zary Tenan'ny Mpanjaka Tao Amin'ny Facebook

Ny  7 Febroary 2012, niseho tany amin'ny lapam-pitsarana iray tany  Rabat renivohitr'i Maraoka, i Walid Bahomane. Voampanga ho  “nanala baraka ireo soatoavina Maraokana “tamin'ny famoahana lahatsary sy sary maneso ny mpanjakan'i Maraoka, Mohammed VI, tao amin'ny Facebook ilay tanora izay vao 18 taona.

Tsy vao voalohany no nisy Maraokana iray mpampiasa aterineto  niatrika  fiampangana tahaka izao. Ny 2008, Fouad Mourtada, tanora iray injeniera , dia voampanga hiditra an-tranomaizina mandritra ny telo taona noho ny fakàny tahaka tao amin'ny Facebook ilay rahalahin'ny mpanjaka. Nisy antso iraisam-pirenena iray sy fanentanana iray ho  fanohanana avy any rehetra any nanery ireo manam-pahefana hamoaka an'Andriamatoa Mourtada iray volana taorian'ny nisamborana azy.

Ny fisamborana an'i Walid Bahomane no voalohany  hatramin'ny fanovàna ny lalàm-panorenana tamin'ny lohataona farany teo izay (ara-bakiteny) nanala ny toetra “masina” ananan'ny mpanjaka. Na izany aza anefa dia mbola ivon'ny fandavan-tena ihany ny mpanjaka ao amin'ny firenena.

Nisy dikan'ilay tatitra nofenoin'ny mpitandro filaminana nentina nisamborana an'Atoa Bahomane nivoaka tao amin'ny aterineto, namboraka zava-dehibe: araka ny antotan-taratasy, ireo zavatra roa notanan'ny mpitandro filaminana dia “pejy Facebook roa (sic) ahitana fehezanteny sy sary manambany ireo soatoavina, ary solosaina IBM iray.​​”

Dikan'ilay tatitra nofenoin'ny polisy nentina nisambotra an'i Mr. Walid Bahomane tahaka ilay navoaka ao amin'ny Facebook.

Na eo aza ireo antso ho famoahana azy dia nanapa-kevitra ny mpitsara handefa an'i Walid any aminà fonja ho an'ireo zaza tsy ampy taona any akaikin'ny renivohitra, mandra-piandry ny fitsaràna. Misy vondrona mpampiasa aterineto nihetsika tamin'ny fisamborana an'Atoa Bahomane tamin'ny famoronana vondrona fanohanana ao amin'ny Facebook antsoina hoe “Mohammed VI, mbola masina noho ianao ny fahafahako!“, izay hanasàna ireo mpikambana hamoaka sy hizara sarisary zary tenan'ilay mpanjaka.

Sarisary zary tenany maneho ny mpanjaka Mohammed VI ao amin'ny Facebook

Toy izao ny hafatra savaranonandon'ilay vondrona [ar]:

هذه مجموعة تضامنية مع الشاب وليد بحمان، 18 سنة، معتقل بسجن الأحداث بسلا بتهمة إهانة قداسة محمد السادس على الفيسبوك. فلنثبت لمحمد السادس أن حريتنا أقدس منه
Ity vondrona ity dia firaisankina amin'i Walid Bahoman, tanora 18 taona, voatana any amin'ny fonjan'ny zaza tsy ampy taonan'ny Salé noho ny fanambaniany ny Mpanjaka Mohammed VI tao amin'ny Facebook ity vondrona ity. Ndao hoporofointsika amin'i Mohammed VI fa mbola masina noho izy (mpanjaka) ny fahafahantsika.

Zineb El Ghazoui, mpiara-namorona an'io vondron io, dia manoratra ao amin'ny bilaoginy [fr]:

[cette arrestation bat] en brèche la propagande de l'Etat marocain autour du changement et des prétendues avancées démocratiques.

Mandiso tanteraka ny fampielezan-kevitra ataon'ny fanjakana Maraokana manodidina ny fiovana sy ireo fandrosoana ara-demokratika voalaza  ity fisamborana ity.

Ao amin'ny Twitter, misy vitsivitsy saron-kenatra manaraka io hetsika io. Mitoraka bitsika i Musique Arabe [fr]:

@MusiqueArabe Opération soutien à Walid Bahomane – publions tous sur nos profils la caricature de notre choix.

@MusiqueArabe Hetsika fanohanana an'i Walid Bahomane – mamoaha sarisary zary tena (an'ny mpanjaka) izay tianao ao amin'ny rindrinao.

Na teo aza ireo fanovàna ny lalam-panorenana farany tany Maraoka dia toa tsy nivonona handefitra ny fihoaran-dalàna ny fitondrana na inona izany na inona. Ny Jolay 2011, andro vitsivitsy taorian'ny nandaniana ny lalam-panorenana vaovao, nisy gazety Frantsay iray, Le Courrier International, voasivana [fr] tany Maraoka satria nahitana sarisary zary tena nanala baraka an'ilay mpanjaka.

Matetika ny gazety tsy miankina no mijaly amin'ny hatezeran'ny fitondrana rehefa sahy mikitikitika ny resaka saropady momba fitondram-panjaka. Mainka moa fa ny Aterineto no fetra farany ahafahan'ny ankabeazan'ireo Maraokana maro mampihatra ny zony amin'ny fahalalahana miteny.

Zavatra izay toa tsapan'ireo Maraokana sasany mpiondana aterineto . Nahazo aingam-panahy avy amin'ny lohataona Arabo, toa vonona hanatevina ny laharana sy haneho firahalahiana amin'Atoa Bahomane izy ireo.

Ho vokany, mbola ho sarotra mihoatra noho izany ny fampiharan'ny fitondrana  ny sivana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.