- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Makedonia: Britanika Parlemantera Eoropeana Ni-Tweet Ny Fiantsonanan'Ilay Fiaramanidina Noho ny Hamehana Tao Skopje

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Angletera, Makedonia, Repoblika Tseky, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Tsidika

Nampisaina teo noho eo tao amin'ny Twitter ny voina an-habakabaka tao an-tseranam-piaramanidina Skopje, taoriana ny fiantsonan'ny fiaramanidina noho ny hamehana.

Ny alin'ny 10 sy 11 Febroary teo, nihodikodina nandritra ny 40 minitra ilay fiaramanidin'ny orinasam-pitaterana an-habakabaka tsheky CSA raha nezahina izay hampandeha nokitihina ilay lelan'ela-boromby [1] tsy nety niasa, afaka niantsona noho ny hamehana ihany anefa ilay voromby [2] avy eo. Vitan'ilay mpampamory ny nanajanona ny voromby hatreny amin'ny farany fitohizan'ny lalam-piatsonana.

Anisan'ireo mpandeha tao anatin'ny voromby ilay Britanika iray mpikambana ao amin'ny Parlemanta Eoropeana (PE) Richard Howitt [3], sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Makedoniana Nikola Popovski. Ilay Komity misahana ny Raharaham-bahiny ao amin'ny PE,  Andriamatoa Howitt no mpitati-draharaha momba an'i Makedonia – sady olona mpiondana Twitter rahateo koa izy. Ni-tweet [4] avy hatrany izy taorian'ny loza:

Tsy misy olana amin'izao fotoana izao saingy niantsona haingana tao Skopje ny voromby noho ny fahasimban'ny lelan'ela-boromby [volom-borona]. Tsy maintsy naka fepetra. Nieritreritra fa izay ny farany.

Richard Howitt MEP

Richard Howitt MEP ni-tweet avy hatrany taoriana ny fihantsonan'ny voromby.

…ary nanome [5] vaovao amin'ny antsipiriany:

Fiantsonana vonjimaika. Feno ranomandry teny amin'ny lalam-piantsonana. Nilahatra ny fiara mpamono afo. Nilaza ny Steward: “mivavaha, mivavaha, mivavaha.” mahery fo avokoa ny mpiasan'ny seranam-piaramanidina #Czech [6] . OK daholo ny REHETRA amin'izao fotoana izao

Tatitra [7] avy ami'ny MIA (sampam-pilazam-baovaom-panjakana ao Makedonia) nanome vaovao amin'ny antsipiriany:

Raha nidina tamin'ny tany ny voromby, nisy setroka nipoitra tamin'ny kodiarana ka vitan'ilay kapiteny ihany ny nanajanona mahitsy ilay voromby teny amin'ny faran'ny lalam-piantsonana.

Howitt naneho hevitra [8] indray avy eo:

…Tsy fantatro ny fisian'ny setroka tamin'izany. Hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny: Omeo medaly ny mpanamory noho ny nahavitany nanajanona ny fiaramanidina

Vitsy ireo olona ni-tweet indray na namaly ny vaovao nalefan'i Howitt, na izany aza,  naneho ny fanohanany sy ny famonjeny izy ireo. Mallen Baker nanoratra hoe [9]:

Faly izahay rehefa tsy nisy aina nafoy na naratra – Toe-javatra tian'ny mpandeha zotra an-habakabaka idifiana! Soa fa avotra avokoa ny rehetra

Anisan'ny fifanekena tamin'ny orinasa Tiorka TAV ny fanalavana ny lalam-piantsonana, izay nanavao sy nandrindra ny seranam-piaramanidina ao Makedonia [10] tamin'ny alalan'ny fifanekem-panofana maharitra 20 taona.

Mety tsy misy ifandraisany amin'ny toetr'andro ny fahasimban'ny lelan'elatry ny voromby, nefa mety hiantraika amin'ny fifamoivozana an-habakabaka ao amin'ny faritra ihany koa ny firotsahan'ny ranomandry Balkan [11] atsy ho atsy. Andro vitsy lasa izay, tsy afaka niainga ny [12] angidimbin'ny Tafika  Makedoniana izay tokony zavatra ilaina andavanandro ho an'ny tanàna an-tendrombohitra tapaka herinaratra noho ny firotsahan'ny ranomandry tsy an-kijanona.