Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

16 Febroary 2012

Tantara tamin'ny 16 Febroary 2012

Maraoka: Voasambotra Noho Ny Famoahana Sarisary Zary Tenan'ny Mpanjaka Tao Amin'ny Facebook

GV Mpisolovava

Ny 7 Febroary 2012, niseho tany amin'ny lapam-pitsarana iray tany Rabat renivohitr'i Maraoka, i Walid Bahomane. Voampanga ho "nanala baraka ireo soatoavina Maraokana "tamin'ny famoahana lahatsary sy sary maneso ny mpanjakan'i Maraoka, Mohammed VI, tao amin'ny Facebook ilay tanora izay vao 18 taona

Karaiba: Andron'ny Mpifankatia Izao; Tsapanao Ve Ny Fitiavana?

Ao an-tsainy sy ao am-pon'ny mpamahana bolongana Karaiba ny fitiavana androany; ity topi-maso vetivety hoentin'izy ireo mikasika ny fomba fankalazan'izao tontolo izao izany fitiavana izany – izay eo amin'ny tontolon'ny bilaogy – nivezivezy teny… Mpamahana bolongana ampielezana Jamaikana Grasshopper Eyes The Potomac no mandray izany amin'ny fomba tsotra: Andron'ny Mpifankatia. Na inona fandraisanao ny dikan'izany,...

Madagasikara : Ny Fahasimbana Nateraky Ny Rivodoza Giovanna An-Tsary sy An-Dahatsary

Niditra an-tanety teto Madagasikara tamin'ny 13 febroary tamin'ny valo ora alina ora eto an-toerana ny rivodoza Giovanna. Tafiditra tamin'ny sokajy fahaefatra ilay rivodoza, amin'ny rivotra 194km isan'ora (120mph) nentiny izay nanapaka hazo sy ny andrin-jiro. Araka ny tatitra nivoaka ofisialy dia 10 raha kely indrindra ny maty amin'izao fotoana izao....

Portiogaly: Hetsi-panoherana Ny ACTA

Tamin'ny 11 Febroary 2012, tanàna maherin'ny 200 manerana izao tontolo izao no nandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana manerantany ho fanoherana ny ACTA – ny tetikasa fifanarahan'ny firenena maro manohitra ny varotra hosoka (Anti-Counterfeiting Trade Agreement) dia mikendry  hametraka foiben-telefonina iraisam-pirenena ho fiarovana ny zo fizaka-manana ara-tsaina. Tao Portiogaly, olona manodidina ny 300 teo no...

Tontolo Arabo: Mandria am-piadanana Whitney Houston

Niara ory tamin'izao tontolo izao ny Arabo tamin'ny fahafatesan'ilay mpanankato tsara feo Whitney Houston, izay hita faty tao amin'ny trano fandraisam-bahiny nipetrahany tao Beverly Hilton Hotel, 48 taona izy izao namoy ny ainy izao. Nifandimby ny alahelo sy ny dona tamin'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny valantserasera, tao ireo nanontany ny antony...

Makedonia: Britanika Parlemantera Eoropeana Ni-Tweet Ny Fiantsonanan'Ilay Fiaramanidina Noho ny Hamehana Tao Skopje

Nampisaina teo noho eo tao amin'ny Twitter ny voina an-habakabaka tao an-tseranam-piaramanidina Skopje, taoriana ny fiantsonan'ny fiaramanidina noho ny hamehana. Ny alin'ny 10 sy 11 Febroary teo, nihodikodina nandritra ny 40 minitra ilay fiaramanidin'ny orinasam-pitaterana an-habakabaka tsheky CSA raha nezahina izay hampandeha nokitihina ilay lelan'ela-boromby tsy nety niasa, afaka niantsona noho ny hamehana ihany anefa...