Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Shina: Vady sy Zanaky ny Mafàna Fo Iray Anaovana Antsojay Ety Enaty Aterineto

Mpampiasa Twitter iray tsy nitonona anarana no namoaka ny mombamomba manokana ny vadin'i Wen Yunchao, sy ny zanany lahy tety anaty aterineto. Bilaogera sy mafana fo  tsy zoviana amin'ny ady hisian'ny fahafaha-miteny malalaka eny anivon'ny aterinto Sinoa i Wen  ary niharan'ny niharan'ny fanenjehana noho izany tato anatin'ny taona vitsy farany. Imbetsaka ny kaonty gmail fampiasany no nisy nijirika ary feno sarinà famonoana olo-malaza aely amin'ny alalan'ny aterineto.

Tamin'ity indray mitoraka ity, ny vadiny sy n y zanany lahy no lasibatry ny fanafihana efa voarindra. Androany i Wen Yunchao dia nampakatra sarin'ny fàfana nataony dika mitovy avy amin'ny kaontiny Twitter.  Ilay dikasary dia naneho fa misy olona iray tsy mitonona anarana mampiasa ny Twitter ary nampiasa ny teknolojia “peer to peer” mba hizaràna ireo mombamomba ny tena manokana, ka isan'izany ny laharan'ny karapanondron'ireo ankohonan'i Wen :

Ny dikantenin'ilay hafatra dia hoe :

@chenachao izaho no Wen Yunchao, ampiasain'ny FBI Amerikana mba hametraka ekipa aty anaty aternet, ny mpikambana tsirairay dia hahazo 5.000 dolara amerikana tsirairay avy isam-bolana. -raha tsy mino ahy ianareo, dia azonareo atao ny maka ny vadiko sy ny zanako lahy ho takalon'aina. Ho eo ambanin'ny fanaraha-masonareo mandrakariva aho. Ny laharan'ny findaiko dia: XXXXXXX ny karapanondro dia: XXXXXXXXXXX

@wgwhappy laharan'ny pasipaoro: XXXXXXXXX Visa mankany Hong Kong sy Macau : XXXXXXXXX. Vady: XXX. karapanondron'ny vady: XXXXXXXXXX Zanakalahy: XXX karapanondron'ny zanakalahy: XXXXXXXXXXXX.

Marina daholo ireo laharana rehetra ary tsy misy afa-tsy ny departemantan'ny polisy ao amin'ny Tanbe Sina irery ihany no afaka manana fahafaha-mahita ny antsipirihan-javatra toy izany. Mandritra izany i Wen Yunchao dia monina any Hong Kong miaraka aminà fahazoan-dàlana hiasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.