13 Febroary 2012

Tantara tamin'ny 13 Febroary 2012

Yemen: Taona Iray Rakotry Ny Revolisiona Tsy Manam-piafaràna

Manamarika ny tsingerintaona voalohan'ny revolisiona ampilaminany tsy manam.piafarana ry zareo Yemenita, revolisiona natao hanesorana ny jadon'i Ali Abdullah Saleh, izay mbola manohy ny ataony hatrany, miaraka amin'ny fanampian'ny GCC (Gulf Cooperation Council( sy ny faneken'i Etazonia sy ny Firenena Mikambana. Mizara ny fomba fijeriny ireo mpiondana aterineto.

13 Febroary 2012

Sénégal : Ireo antom-pahatezerana

Miaraka amin'ny vanim-potoana mafampàna mialoha ny fifidianana izay iainan'i Sénégal, dia atrehan-dry zareo Senegale koa izao ny fanaovana tsinontsinona ny demaokrasia ka mampanahy ny maro amin'ireo mpanaramaso herinandro vitsivitsy aty alohan'ny fifidianana. Ndeha hampahatsiahivintsika fa i Abdoulaye Wade dia lany ho filohan'ny firenena tamin'ny 2000 ary nanapa-kevitra izy fa mbola hirotsaka indray ho aminà fotoam-pitondràna fanintelony na dia voararan'ny lalam-panorenana aza izany. Marobe ireo Senegale manohitra ny hamelàna azy ho afaka mirotsaka.

13 Febroary 2012

Vaovao Farany Amin'ny Microgrant Rising Voices 2012

Rising Voices

Nahazo tolokevitra 1175 avy any amin'ireo firenena mihoatra ny 120 ny Rising Voices nandritra ny fifaninanana microgrant 2012 ho an'ireo tetikasa fanentanana amin'ny mediam-bahoaka anaty aterineto. Mandritra ireo herinandro enina manaraka, hamerina handinika ny tolokevitra tsirairay am-pitandremana izahay miaraka amin'ny komity mpifantina. Kasaina ho tanterahana any amin'ny tapaky ny volana Martsa ny fotoanan'ny fanambarana. Misaotra ho an'ireo rehetra nandray anjara.

13 Febroary 2012

Yemen: Miarahaba An'i Saleh Amin'ny Kiraro Ireo Yemenita Mpanohitra Any New York

Nanoraka kiraro nanandrify ny filoha Yemenita Ali Abdullah Saleh vao niala teo ireo Yemenita ao New York, izay lazain'izy ireo fa tokony hijoro manoloana ny Lapam-pitsarana Iraisam-pirenena natao ho an'ireo Mpamono olona (ICC) fa tsy tokony hijanona any amin'ny Trano Fandraisam-bahinin'ny Luxury Ritz Carlton any Manhattan. Mamintina ny fihetseham-pon'ireo Yemenita amin'ny nipetrahan'i Saleh tany New York ny Noon Arabia.

13 Febroary 2012